Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 5, 34-42)

Dia nandeha an-kafaliana ny Apôstôly satria natao ho mendrika hitondra fahafaham-baraka noho ny Anaran’i Jesoa.

Tamin’izany andro izany,
nitsangana teo amin’ny Sanedrina kosa ity Farisianina anankiray
atao hoe i Gamaliely,
mpampiana-dalàna malaza tamin’ny vahoaka rehetra,
ka nasainy navoaka kely ny Apôstôly.
Dia hoy izy:

“Ry lehilahy Israely,
tandremo ihany izay hataonareo amin’ireo olona ireo.
Fa tsy ela akory izay no nisehoan’i Teodasy
izay nanao ny tenany ho zavatra,
sady efa nisy tokony ho efa-jato lahy no nomba azy;
kanjo nony novonoina izy,
dia nihahaka izay rehetra nanaraka azy
ka tonga tsinontsinona.
Taorian’izany indray,
tamin’ny andro nanoratana ny vahoaka,
dia nitsangana koa i Jodasy avy any Galilea
nitarika ny vahoaka hanaraka azy:
kanjo nony novonoina izy,
dia nihahaka ihany koa izay rehetra nomba azy.
Koa ankehitriny,
izao no hevitra omeko anareo:
aza manan-draharaha amin’ireo lehilahy ireo akory,
fa avelao izy handeha,
satria raha avy amin’ny olona izao hevitra na raharaha izao,
dia ho foana ho azy,
fa raha avy amin’Andriamanitra kosa
tsy ho hainareo foanana velively,
sao dia miseho ho mpiady amin’Andriamanitra ianareo.”

Dia narahin’izy ireo izany torohevitra izany
ka nantsoiny indray ny Apôstôly,
ary nony efa nasainy nokapohina tamin’ny tsora-kazo
sy noraràny mafy tsy hiteny amin’ny Anaran’i Jesoa intsony,
dia nalefany.
Nony niala tamin’ny Sanedrina ny Apôstôly,
dia nandeha an-kafaliana
satria natao ho mendrika ny hitondra fahafaham-baraka
noho ny amin’ny Anaran’i Jesoa.
Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory isan’andro
tao an-tempoly sy tany an-tranon’olona izy ireo fa i Jesoa no i Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 26, 1. 13. 14

Fangatahan-tsy mahasasatra ahy, ny honina ao an-tranon’ny Tompo.

Ny Tompo no Fanilo sy vonjiko:
iza no hatahorako.
Ny Tompo no mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako.

Fangatahana tsy mahasasatra ahy,
sy tozoiko indrindra, ry Tompo:
dia ny honina ao an-Tranon’ny Tompo
amin’ny andro rehetra iainako:
mba hankafy ny hatsaran’ny Tompo,
sy hibanjina ny toerany masina.

Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo
any amin’ny tanin’ny velona!
Mahandrasa ny Tompo, marisiha!
Mahereza fo, mahandrasa ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mandre ny feoko, hoy ny Tompo fantatro izy ary manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 1-15)

Nizara tamin’izay nipetraka Izy ary nampanaraniny fo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia lasa nankany an-dafin’ny ranomasin’i Galilea,
na ny farihin’i Tiberiady,
ary vahoaka be no nanaraka Azy,
noho izy ireo nahita ny fahagagana nataony tamin’ny marary.
Dia niakatra any an-tendrombohitra i Jesoa,
ka nipetraka teo Izy mbamin’ny mpianany.
Efa akaiky ny Paka andro lehibe tamin’ny Jody.
Nony nanopy ny masony i Jesoa,
ka nahita ireto vahoaka be nanatona Azy,
dia hoy Izy tamin’i Filipo:

“Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo?”

Fantany rahateo ny hataony,
fa ny hitsapany azy no nilazany an’izany.
Dia hoy i Filipo taminy:

“Na dia mofona denie roanjato aza,
tsy ampy hahazoan’izy ireo sombiny kely avy akory.”

Ny anankiray tamin’ny mpianany koa,
dia i Andre rahalahin’i Simôna Piera,
nilaza taminy hoe:

“Misy zazalahy anankiray
manana mofo ôrja dimy sy hazandrano roa ao:
fa ho ampy inona izany amin’ny olona maro be toy izao?”

Dia hoy i Jesoa:

“Asaovy mipetraka ny olona.”

Ary nisy ahitra be teo, ka nipetraka ny olona,
ary tokony ho dimy arivo ny isan’ny lehilahy.
Dia nandray ny mofo i Jesoa,
ka nony efa nisaotra dia nizara azy tamin’izay nipetraka
ary nomeny toy izany koa ny hazandrano
sady nampanaraniny fo.
Rahefa voky izy ireo,
dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:

“Angony ny sombintsombiny sisa tsy lany,
mba tsy hisy very.”

Dia nangoniny ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo
ny sombintsombin’ny mofo dimy sisa tsy lanin’izay nihinana.
Nony nahita ny fahagagana nataon’i Jesoa ireo olona ireo,
dia nanao hoe:

“Ity tokoa no ilay Mpaminany
ho avy amin’izao tontolo izao.”

Dia fantatr’i Jesoa fa ho avy haka Azy an-keriny
hatao mpanjaka izy ireo,
ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...