Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 4, 32-37)

Miray fo sy fanahy ny mpino rehetra.

Niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra;
tsy nisy nilaza ny fananany hoe azy,
fa niombonany daholo ny zavatra rehetra.
Tamin-kery lehibe no nanamarinan’ny Apôstôly
ny nitsanganan’i Jesoa Tompo ho velona
ary fahasoavana be no teo amin’izy rehetra.
Tsy nisy mahantra teo amin’izy ireo,
satria izay rehetra nanan-tany na trano,
dia nivarotra azy sy nitondra ny vidin’izay lafo,
ary nametraka azy teo an-tongotry ny Apôstôly,
ka nozarazaraina tamin’izy rehetra
araka izay nilainy avy.
Nisy levita anankiray atao hoe Jôsefa
izay nomen’ny Apôstôly anarana hoe Barnabe
(izany hoe zanaky ny fanalana alahelo);
teraka tany Sipra: nanan-tany izy, ka namidiny,
dia nentiny ny vidiny sy napetrany teo an-tongotry ny Apôstôly.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 92, 1ab. 1d-2. 5

Manjaka ny Tompo mitafy fiandrianana.

Andriana manjaka Ianao, ry Tompo.
Mitafy ny hery tsy hay tohaina.
Ny zava-drehetra harin-tananao;
tomombana fatratra tsy mivena.

Mirafitra mafy ny rovanao,
fa manda miorina tsy mikoro.
Hatrany am-boalohany teo Ianao.
Ho mandrakizay re tsy hanam-petra.

Ireo Teny rehetra voalazanao.
E! lalina, marina, tsy mivaona.
Ny fahamasinana feno haja,
manerana izany fonenanao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 7-15)

Tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy izay avy tany ihany, dia ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao tamin’i Nikôdema hoe:

“Aza gaga ianao noho ny nilazako taminao hoe:
‘Tsy maintsy hateraka indray ianareo.’
Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany ary renao ny feony,
nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany;
tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.”

Dia namaly i Nikôdema ka nanao taminy hoe:

“Atao ahoana no hahatonga izany?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Mpampianatra amin’i Israely ianao
ka tsy mahalala izany va?
Lazaiko marina dia marina aminao
fa izay fantatray no lazainay,
ary izay hitanay no ambaranay,
nefa tsy raisinareo ny filazanay.
Raha tsy mino Ahy ianareo amin’ny filazako ny zavatra ety an-tany,
hataonareo ahoana no fino ny filazako ny any an-danitra?
Ary tsy nisy niakatra tany an-danitra
afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany,
dia ny Zanak’Olona izay any an-danitra.
Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra
no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona koa,
mba tsy ho very izay rehetra mino Azy,
fa hanana ny fiainana mandrakizay.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...