Sabotsy 11 desambra 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Akaiky ny andron’ny Tompo, indro Izy fa ho avy hamonjy antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 17, 10-13

Faminanian’i Malakia 3, 23 ny hoe : "indro aho haniraka an’i Elia mialoha ny ahatongavan’ny andron’ny Tompo, andro lehibe sy mahatahotra". Satria tsy hitan’ny Jody maso eo i Elia miverina, dia izay no tsy inoany an’i Jesoa. Hanomana ny hahatongavan’i Mesia manko i Elia. Eo indrindra i Jesoa no mitondra fampianarana : na tsy i Elia aza no eo fa i Joany Batista dia mahavita ny asany, manamboatra ny lalan’ny Tompo, nanomana ny olona tamin’ny batemim- pibebahana ary nanolotra an’i Jesoa hoe "Indro ny Zanakondrin’Andriamanitra, ilay manala ny fahotan’izao tontolo izao".

Na dia ny fahafatesan’i Joany Batista aza dia fambara mialoha ny fahafatesan’i Kristy : noho ny fialonana, noho ny fiarovana tombon-tsoa manokan’ny sasany. Saingy namela mamy izy, nahavonjy izy… Toa an’i Joany Batsista àry isika : aoka ahitana taratra an’i Jesoa. Aoka hanondro an’i Jesoa hoe Zanak’Andriamanitra, zanakondrin’ny Paka, manala ny fahotan’izao tontolo izao. Amen.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...