Zoma 10 desambra 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay, mba hifalianay amin’ny fo lavorary — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 16-19

Samy mandinika ny tenany isika eo anatrehan’ny Fanamabaran’Andriamanitra. Mety hanjo antsika manko ny fihetsiky ny manam-pahefana jody volazan’ny Evanjely teo : tsy rototra mihitsy, tsy taitra mihitsy amin’izay antso atao. Henoina fotsiny. Izany no fakam-panahy ankehitriny hoe tsy mampaninona na eo na tsy eo Andriamanira. Hany ka mihevi-tena ho feno ny olombelona, tsy mila na iza na iza intsony ; dia manentsin-tadîny, manidy fo, miziriziry, mikiribiby tsy mety mibebaka, tsy te hiova, tsy manaiky avaozina. Isan’ny fiomanana lehibe amin’izao Fiaviana izao ny fibebahana, fidiovana mba ho mendrika handray ny Tompo ka andeha re hibebaka e. Dieny mbola misy fotoana ibebahana, aza mangataka andro.

Vao mainka manahirana aza ny fiheveran’ny sasany hoe Andriamanitra manelingelina ka aleo tsy ampidirina eo amin’ny fiainana mihitsy. Tsy izany anefa fa hitondra fiainana no ahatongavany.

Amarinin’ny asany ny fahendrena, hoy i Jesoa. Na tsy hino ny teniny sy ny fampianarany aza tokony hino noho ny asany. Ny asany manko no manamarina fa avy amin’ Andriamanitra izy. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...