Talata 7 desambra 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Indro avy ny Mpanjaka, Tompon’ny tany, ary Izy no hanafaka antsika amin’ny jiogam-panandevozana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 12-14

Ampianarin’ny Evanjely anio voalohany isika handray an-kamoram-po ireo izay marefo sy madinika te hanatona an’Andriamanitra. Mazàna rehefa misy olona mangetaheta te ho iray finoana na fikambanana amintsika dia ilay fepetra hentitra be no arangaranga. Aleo ilay fahasoavana azo ao no tenenina. Tsy afenina amin’izay te hiditra ny zava-misy fa aleo ny fahamasinana iantsoan’Andriamanitra no aseho. Aoka tsy hanakona ny taratr’i Kristy Fahazavana ny fepetry ny fiaraha-miaina satria mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny manilikilika ; satria manana ny maha izy azy tsy azo soloina ny tsirairay ; satria ny olombelona rehetra no tiany hakambana ho antokony iray.

Ny tena votoatin’ity fanoharana ity dia ilay hafalian’Andriamanitra mamonjy sy mamindra fo, hafaliana’Andriamanitra mitady ka mahita ny very. Tsy misy mihitsy amin’Andriamanitra hevitra hoe "izay anakiray kely iny avy ve, aleo iny ho any" fa tsy tiany hisy very na dia ny iray kely indrindra aza.

Amin’izao fiavian’ny Tompo izao dia aoka ho fo miara-mitempo amin’ny Tompo isika ka sady hibebaka hiverina an-tranon-dRay no hivavaka mba hibebahan’ny mpanota. Amen.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...