Alatsinainy 6 desambra 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Ampodio izahay, ry Tompo Andriamanitra ô; ny tavanao aseho, dia ho voavonjy izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 17-26

Ry kristianina havana, ny famonjena andrandrain’ny olombelona hatramin’izay ka hatramin’izao dia mahasahana ny olona manontolo : saina, vatana, fo, fanahy. Tsy ny fanahy ihany no vonjena. Isan’ny famantarana ny Mesia andrasana dia izy manafaka izay rehetra mamatopatotra ny olona ka tsy hahafahany miaina an-kalalahana. Fa mba hahatanteraka ny famonjena dia tsy maintsy mangetaheta aloha ny olona izay vao afaka miasa Andriamanitra. Satria manaja ny safidintsiika Andriamanitra, manaja ny fahafahantsika. Ka io isika mangetaheta an’Andriamanitra io no andrasany dia tanterahan’Andriamanitra ny famonjena nampanantenainy. Dia izany ireto olona nitondra marary hositranin’i Jesoa ireo. Nangetaheta ka nitady izay fomba rehetra ary voavonjy.

Ireto mpanohitra an’i Jesoa moa dia manara-maso azy eo mandrakariva. Noporofoin’i Jesoa teo imason’izy ireo fa Andriamanitra Izy, mahasitrana sy mamela heloka. Asan’Andriamanitra ny manasitra ny aretina sy mamela heloka. Ilay fahotana mihitsy aza no fototry ny aretina araka ny fiheverana tamin’izany... Mamela heloka i Jesoa, mampitsangana marary malemy, izany hoe mamerina amin’ny laoniny ny maha izy ny olona vatana sy fanahy, satria ny olombelona mijoro no voninahitr’Andriamanitra, hoy i Masindahy Irénée.

Nisaotra an’Andriamanitra ny olona noho ny famonjena hitany androany : io ilay ankehitrinin’ny famonjena, ilay fotoanan’Andriamanitra ; izany hoe eo amintsika mandrakariva, araka ny anarany : Emanoela, Andriamanitra miara-monina amintsika. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...