Alarobia 1 desambra 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Tongava, ry Tompo, ary aza ela; vahao ny fatoran’ny vahoakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 15, 29-37

Maro ny fahoriana manjo antsika olombelona ety an-tany ety. Ao ny aretina, ny hanoanana raha tsy hilaza afa-tsy ireo havantsika tratran’ny kere, ny loza voajanahary, ny loza afitsoky ny manodidina ka tsy hisian’ny fandriampahalemana. Eto amin’ity Evanjely ity no hahitana fa efa hatramin’ny andron’i Jesoa no toa tandra vadin-koditra amin’ny olombelona ireny fijaliana sy fahoriana ireny, hany ka nentin’ny olona ho eo anatrehan’i Jesoa ireo moana, ny jamba, ny mandringa, ny kilemaina, ny marary ; nametrahany tanana ireny mba hiverina ny maha olombelona araka ny naharian’Andriamanitra azy ireny. Tonga tokoa ilay Mesia nandrasan’ny olona rehetra hanavotra azy : resy ny ratsy rehetra. Inona tokoa moa no andrasantsika fa tsy Ilay tonga hanavotra antsika amin’ny ratsy rehetra ka hitondra antsika amin’ny fiadanana. Mpanavotra mahay mangoraka Ilay Mpamonjy antsika, mahafantatra ny fahoriana mahazo antsika olombelona.

Mahatsapa sy mahita ny fijalian’ireo vahoaka be nanaraka Azy tany an’efitra i Jesoa, mahafantatra hoe noana izy ireo, mila sakafo hohanina mba ho velona. Ao ambadik’izao fampitomboana ny mofo sy ny hazandrano izao ny faniriany hanafaka ny olona amin’ny hanoanana ara-panahy. Eny hatramin’izao andro hiainantsika izao dia noana isika, noana ny fahamarinan’Andriamanitra ; noana ilay fiainam-panahy hitondra antsika any amin’ny hasambarana maharitra mandrakizay. Tenin’i Jesoa ny hoe : "Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana fa ho voky izy". Koa ny Tenany àry no arosony ho sakafontsika ao amin’ny Eôkaristia mba hanafaka hanoanana antsika sy hahasambatra antsika. Amen !

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...