Alatsinainy 29 novambra 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Ny Tompo no mpitsara antsika, ny Tompo no Mpanjakantsika. Izy no hamonjy antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 5-11

Miaramila rômana no miangavy an’i Jesoa mba hanasitrana ny ankizilahiny. Entina hilazana fa tsy ho an’ny Jody ihany ny famonjena fa ho an’ny firenena rehetra. Fanampiny izay indray, miaramila rômana, ilay mpanjanaka an’i Israely. Koa raha Mesia hanafaka an’i Israely i Jesoa , nahoana no nanaiky ny fiangavian’ity miaramila rômana ity ? Etsy ankilany, tsy mety amin’ny Jody no miditra any an-tranon’ny hafa firenena, heverina ho mampaloto ny miditra any an-tranon’ny tsy mpino, indrindra eo amin’ny lafiny ara-pivavahana. Mahalala izany ity kapiteny ity ka niangavy an’i Jesoa tsy hoe hiditra ao an-tokantranony fa hanonona teny iray ihany dia ho sitrana ny akizilahiny. Noderain’i Jesoa ny finoana nananany ary mbola nisintonany fampianarana indray aza izany finoana lalina izany ka nahaloa-bava Azy nanao hoe "Tsy mbola nahita finoana toy izany Aho tamin’ny zanak’Israely".

Eto koa no hahatsapana fa ny vavaka atao aminy dia misy vokany mandrakariva rehefa atao am-pinoana. Tsy tafahaona mivantana tamin’ilay marary i Jesoa kanefa dia sitrana soa aman-tsara izy noho ny fitalahoana nataon’ilay Kapiteny tamin’i Jesoa. Manomboka izao vanim-potoana ny Fiaviana izao isika. Fotoana lehibe handalinana ny finoana ; dia ilay finoana mahaova ny fiainana. Hanana finoana toa ity Kapiteny ity satria efa novahan’Andriamanitra ho an’ny Firenena rehetra ny famonjena. Vanim-potoana hamelombelomana indray ny fanantenana izao, hiandrasantsika ny Mpamonjy hanasitrana antsika amin’ny fahotana. Vanim-potoana hifampivavahana ihany koa ka mba hiantefa amin’ny hafa ny famonjena, amin’ireo mbola tsy mahalala an’Andriamanitra, ireo malaina mivavaka kanefa efa zanak’Andriamanitra vita Batemy ; toa ilay ankizilahy nangatahan’ilay Kapiteny ho sitranin’i Jesoa. Amen !

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...