Zoma 29 oktobra 2021 — Herinandro fahatelopolo mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 1-6

Azo lazaina fa vela-pandrika no nataon’ity Farisianina ity an’i Jesoa eto, araka ny Evanjely nambara tamintsika teo : ny andro Sabata, andro voarara tsy azo iasana ary mbola marary marirano no teo anatrehany otronin’ireto mpampiana-dalàna. Ny tanjon’izy ireo dia ny hitady izay hiampangana azy. I Jesoa kosa, na dia teo aza izany tsy nisalasala ny haneho fitiavana amin’ireo mila vonjy ka nanasitrana ity marary, satria ho Azy Jesoa Andriamanitra dia ny aina no ambonin’ny Lalàna sy ny fomba, ary ny olona no ambony sy sarobidy lavitra noho ny biby sy ny hafa rehetra. Ny ampianariny antsika amin’izany dia ny hahaizantsika mifamonjy sy mifanampy amin’ny manjo. Matetika tsy haintsika ny manavaka ny tokony hatao sy ny tsy tokony. Indraindray entin’ny tahotra sy ny hena-maso dia tsy sahy maneho fitiavana na fanampiana ireo mila vonjy. Firifiry no iharan’ny tsindry hazo lena, ny herisetra, eny na dia ny famonoana mihitsy aza, dia jerem-potsiny satria matahotra ny ho voarohirohy sy voafatopatotra.

Ny hahalalàna anefa fa mpianatr’i Kristy isika dia mahay maka tahaka Azy, miady amin’ny tsy rariry, sahy mijoro sy manitsy ny tsy mety, ary mitsinjo sy miaro ireo tsy manam-piahy. Aza atao anaran-tsy very fotsiny ny maha kristianina antsika, fa aoka isika ho sira handevona ny ratsy sy ho fahazavana handroaka ny haizina.

Jesoa ô, nataonao tsy nanan-kavaly ireo tsy nahatsapa ny halehiben’ny fitiavanao mamonjy ny olombelona amin’ny manjo azy, fa nanehoanao kosa ny maha Andriamanitra, Tompo, Mandidy ny zavatra rehetra Anao. Koa aza avela hanara-drenirano amin’ny finoana Anao izahay fa ataovy mitafy herim-po sy fitiavana hijoro ho tena mpianatrao marina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...