Alahady 8 aogositra 2021 — Alahady fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 41-51

Evanjely, anambaran'i Kristy ny tenany ity nohenointsika ity, hinoantsika ny misterin'ny fahatongavana ho nofo : Andriamanitra tonga olombelona, nanaiky ho sakafo hamelona antsika ao Aminy. Toe-javatra nanaitra sy nanahirana ireo Jody nihaino Azy, ny tenin'i Jesoa, manambara ny tenany ho "Mofo nidina avy any an-danitra", sakafo antoky ny fiainana mandrakizay. Amin'ireo fampianarana maro ataon'i Kristy anefa, dia takiana mandrakariva ny finoana. Ny finoana, izay tsy mihanona amin'ny zavatra ivelany, fa mampiditra antsika amin'ny tontolo hafa, dia ny tontolon'Andriamanitra, andraisana an'i Kristy, mofo velona. Io finoana io no tsy ampy tao amin'ireo Jody, tsy nandray an'i Kristy ho irak'Andriamanitra, fa nandraisany Azy amin'ny maha olombelona azy fotsiny. Mety mbola ho hita taratra amintsika io tsy finoana io, rehefa jamba ny fontsika, rehefa isika mitompo teny ho manana ny marina, fa indrindra rehefa ny fahagagana sy ny mahatalanjona manodoka no mibaiko ny fanatonantsika an'Andriamanitra, na antony ivavahantsika.

Tsy ampy, ary tsy mitondra inona ny fahitana, fa tsy maintsy ilaina ny finoana. Raha tsy eo ny finoana, tsy ho afaka hisokatra sy hivelatra amin'izay mamaritra antsika isika, ary tsy afaka handray izay atolotr'Andriamanitra, fa mila manaiky tarihin'Andriamanitra isika, manaiky hampianariny mba hisokafan'ny fontsika, hitia sy handray Azy.

Fanomeza avy amin'Andriamanitra ho antsika, i Kristy, ilay mofon'ny fiainana, mofo velona nidina avy any an-danitra, araka ny nambaran'i Masindahy Joany teo. Izay mihinana Azy dia mvelona ny zavatry ny manitra, ka tsy hahatsiaro ho noana sy hangetaheta ny zavatry ny tany intsony, fa miombona sy misantatra sahady ny fahavelomana mandrakizay ao amin'Andriamanitra, mistery ambaran'ny Eokaristia raisintsika. Enga anie ny fankalazana ny Eokaristia matetika, ataontsika, mba tsy ho fahazarana fotsiny ihany, fa hampitombo ny finoantsika an'i Kristy, ilay endriky ny fitiavan'Andriamanitra antsika, ary ny fandraisantsika an'i Jesoa Eokaristia, hanova antsika ho toa Azy, hanolotra ny tena ho an'ny hafa.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...