Alarobia 28 jolay 2021 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 44-46

Olom-bitsy no nitantaran’i Jesoa ny fanoharana mahakasika an’ilay rakitra sy voahangy. Ireo mpianany, izay natao hitory ny Fanjakan’ny lanitra eran’izao tontolo rahateo, izao no nampahalalainy azy ity. Toa izao àry ny hafatra tian’i Jesoa hampitaina amintsika mahakasika an’io fanoharana io : fananana sarobidy tsy manam-paharoa ny Fanjakan’ny lanitra ary mitondra hafaliana marina sy maharitra ny fananana azy io. Asaina àry isika kristianina, mba hikatsaka azy io amim-paharetana tokoa sy amin-kafanam-po, toy ny nataon’ilay mpiasa tany sy ilay mpivarotra izay voatery nivarotra izay nananany rehetra mba hahazahoany an’io harena miafina io.

Tsy ampy ny mibanjina na ny tsy miraharaha ny Fanjakan’ny lanitra, fa mila misafidy isika na tsia ; aoka hitady izay fomba hahitana azy io isika, eny fa na amin’alalan’ny hafetsefetsena ihany koa izany, raha tsy maintsy ilaina. Marina fa mitaky fandavan-tena ny hahazoana azy io, kanefa toa tombon-tsoa aza no azo rehefa tanteraka izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...