Zoma 9 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Hamirapiratra tahaka ny fahazavan’izao tontolo izao ianao, raha mitana ny tenin’ny fahamarinana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 16-23

Ry kristianina havana, mitohy ihany ny hafatrafatr’i Jesoa amin’ireto Apostoly hirahiny.

Tontolo sarotra ilay handehanana ka mila fahamalinana. Tsy afenin’i Jesoa amin’izy ireo ny miandry azy ; toy zanak’ondry marefo, tsy afaka miaro tena kanefa eo afovoan’ny amboadia masiaka sy mahery setra. Amin’ny alalan’ny halemem-panahy no hanjakan’Andrimanitra. Ny madinika sy ny marefo no fidin’Andriamanitra hihariharian’ny voninahiny.

Aoka ho tsotra toy voromahailala, hoy ny Tompo, nefa koa ho malina toy ny bibilava : tsy mifaninana amin’izao tontolo izao hampiseho hery na hamitaka fa ho tsotra sy manetry tena kanefa tsy manaiky hambakaina, tsy hitady tomobon-tsoa ho an’ny tena fa hiasa ho an’Andriamanitra.

Ny toetra manaraka takiana dia ny fitokiana tanteraka an’Andriamanitra. Tsy afenin’i Jesoa ny fahasarotan’ny iraka, fa omeny toky koa anefa fa hanana hery anaty dia ny Fanahy Masina. Ho halan’ny olona, ho henjahina, hotoriana aza. Ny fitokisana an’Andriamanitra no hery, ny fahatokiana sy ny faharetana tsy hivadika hatramin’ny farany no antoka. Mahereza miatrika isika fa Andriamanitra no tompon’ny teny farany. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...