Talata 22 jona 2021 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantsaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana, ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 6. 12-14

Mbola manaraka ny toritenin’i Jesoa teo an-tendrombohitra nataony tamin’ny mpianany isika. Misy hevitra telo indray tsara hodinihintsika amin’ity Evanjely androany ity : ny voalohany dia ny fanajantsika ny zava-masina, ny faharoa dia ny fitsipika volamena ary ny fahatelo dia ny varavarana ety.

Ny voalohany ary izay miteny hoe : "Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy amin’ny kisoa ny voahanginareo, sao hitsahiny ireny, dia hifotitra hamiravira anareo izy". Ny zava-masina lazaina eto dia mety ho sakafom-panahy nohamasinina avy amin’ny vavaka, na ny foto-pampianaran'ny Soratra Masina sy ny fanjakan’Andriamanitra. Iza ary ireto tsy mendrika ny zava-masina ireto ? Eo amin’ny Hebrio mantsy ny alika sy ny kisoa dia biby maloto. Moa ve dia hisy voaozona ? Tsia, Andriamanitra dia mahalala ny fahalementsika fa raha sanatria ka mety fihatsarambelatsihy fotsiny fa tsy mitondra fiovana na fibebahana mizotra amin’ny fiainam-baovao dia izay ireto sokajin’olona tenenin’ Jesoa ireto ; aleo tsy hiara petsapetsa aminy mihitsy, aleo malina.

Ny faharoa, hoy i Jesoa "izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany". Mampatsiahy antsika ny didy "tiavo ny namanao tahaka ny tenanao". Hoy ny razantsika, ny fitia mifamaly mahatsara fihavanana. Ity tenin’i Jesoa dia mifototra amin’ny fanaovan-tsoa amin’ny hafa, izany hoe mifototra amin’ny fitiava-namana. Sarotra matetika no manatanteraka izany eo amin’ny fiainana andavanandro fa matetika ny fitiavan-tena no manjaka. Ka ity tenin’i Jesoa ity dia mitaky safidy matotra, ezaka, sarotra tahaka ny lalana ety, miala amin’ny fomba mahazatra tahaka ny lalana malalaka sy vavahady lehibe, izany hoe mitaky fombam-piainana vaovao.

Ny fahatelo ary dia ny mikasika ny vavahady tery. Midira amin’ny vavahady ety, fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana, ka maro no mahazo any ; fa tery kosa ny vavahady, ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy." Ao amin’i Masindahy Lioka, valy nataon’i Jesoa mikasika ny isan’ny ho voavonjy (Lk 13, 23). Tsy mora ny ho voavonjy, hahazo ny fiainana mandrakizay. Mila fanapahan-kevitra, mila ezaka manokana. Tsy mandeha ho azy tahaka ny fiaianan’izao tontolo izao. Io ilay lalam-baovao. Fombam-piainana mifanohitra ny maro no maha ety ny lalana. Raha io no izorana dia ho afaka hiandrandra ny valisoa any an-danitra isika.

Misaotra ry Rainay satria nataonao endrik’i Jesoa Kristy, zanakao, lahimatoan’ny olombelona rehetra izahay, ary nampahafantarinao anay ny varavarana miditra any amin’ny fiainana. Ampahafantaro anay fa ny lalana ety dia fanairana anay amin’ny fitondran-tena tokony hatao mba tsy ho tara sy voahidy amin’ny fanjakan’Andriamanitra izahay. Omeo anay, ry Ray, ny fahasoavana ahafahanay mamaly ny antsonao ho tonga kristianina mahatoky. Ka ny fanahinao anie hankahery ny fahalemenay sy handrotsaka aminay ny fahasoavana izay ilainay. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 15 nôvambra 2024

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...