Alatsinainy 24 mey 2021 — Masina Maria Renin'ny Eglizy, Masina Maria Vonjin'ny Kristianina — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampihiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 17-27

Avy nankalaza ny Pantekoty isika omaly, ary manohy indray manomboka izao ny herinandro tsotra mandavantaona. Ny fikatsahana ny fiainana mandrakizay dia tsy vitan’ny fotoana iray, na fanatanterahana adidy fotsiny, fa ny andavan’androm-piainana mihitsy no irin’Andriamanitra handavorariantsika izany faniriana lalina izany. Henontsika tamin’ny Evanjely teo àry, ity lehilahy nidodododo nanatona an’i Jesoa ity satria te hahazo ny fiainana mandrakizay izy. Zavatra roa no namalian’i Jesoa azy : Teo ny fampahafantarana ny didin’Andriamanitra. Tsy nihambahamba ity lehilahy ity nilaza fa "hatry ny fony kely" izy no efa nitandrina izany didy izany. Dingana lehibe no nataony satria nahatandrina ny didin’Andriamanitra. Kanefa tian’i Jesoa handeha lavidavitra kokoa ralehilahy, dia ny hivarotany ny fananany rehetra sy hanomezany ny vidiny amin’ny mahantra. Teto no nampiasa saina an-dralehilahy noho ny fananany harena be. Fampianarana no ampitain’i Jesoa amintsika, tahaka ny nampitany azy tamin’ny mpianany. Tsy vitan’ny faniriana fotsiny, na ny fanatanterahana ny didin’Andriamanitra fotsiny ara-bakiteny, ny fikatsahana ny fiainana mandrakizay. Nambaran’i Jesoa fa sarotra ho an’izay miankina sy mifikitra amin’ny haren’ny tany ny hiditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Sakana goavana io, araka ny hitantsika tamin’ilay lehilahy voalazan’ny Evanjely teo ity. Omen’Andriamanitra fotoana isika dieny mbola ety an-tany, hanadio sy hanafaka ny fontsika tsy hifikitra na hiankina amin’ny haren’ny tany, izay mandalo. Satria tokoa manko rehefa feno fitiavana sy fifikirana amin’izy ireo ny fontsika, dia zary lasa manompo ny harena sy ny vola isika ka tsy hanan-toerana ao am-pontsika intsony Andriamanitra.

Ny ho tokam-po ka tsy hikatsaka afa-tsy Andriamanitra sy ny fanjakany ihany no irin’Andriamanitra hahasambatra antsika. Ohatra lehibe ho antsika i Masina Maria izay natolotr’i Jesoa teo am-pototry ny hazofijaliana ho renin’i Joany, endriky ny Fiangonana. Izay no mahatonga an’i Masina Maria ho Renin’ny Fiangonana, natokana ankalazantsika izany ny alatsinain’ny Pantekôty. Hany ka tsy manary antsika na amin’ny mora na amin’ny sarotra i Masina Maria. Isaky ny faha-24 mey ihany koa no ankalazana an’i Masina Maria Vonjin’ny kristianina. I Don Bosco dia nanankina ny fiainany sy ny fikambanana naoriny dia ny Salezianina sy ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice, mbamin’ny asam-panirahana ny fikambanana, ho eo ambany fiarovan’i Masina Maria Vonjin’ny kristianina. Fa Reny, Vonjy tokoa i Masina Maria ka azontsika antsoina isan’andro isan’andro amin’izay manahirana antsika. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...