Sabotsy 15 mey 2021 — Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho, hoy ny Tompo; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 23b-28

Isan’ny lohahevitra manan-danja sady mampiavaka manokana ny kristianina ny hafaliana. Ahoana no hahazoana hafaliana, ary hafaliana safononoka tokoa aza hoy i Jesoa ao amin’ny Evanjely anio ? Ahoana no hahitana hafaliana safononoka manoloana ireo olana maro atrehin’ny ankohonana sy tokantrano toy ny ady lavareny misy eo amin’ny mpivady, ray aman-dreny sy zanaka, rafozana sy vinanto, mpianadahy, mpirahavavy ? ahoana ny hahitana hafaliana ao anatin’ny tsy fahitana asa ; ny fiakaran’ny vidim-piainana ? ahoana ny hahitana hafaliana amin’izao fihanak’ity valan’aretina Coronavirus ity ?

Tsara ho marihina fa iray andro mialoha ny hisamborana an’i Jesoa Kristy ka hiafara amin’ny famantsihana azy no nanaovany an’ity fanentanana ho amin’ny hafaliana ity, ary tao anatin’ny fanenjehana mivaivay ny kristianina kosa no nanoratan’i Masindahy Joany ity Evanjely ity. Midika izany fa mila entanina amin’ny hafaliana tokoa isika na dia eo ny zava-tsarotra lalovantsika ankehitriny.

Ahoana no hiainana an-kafaliana amin’izao fotoan-tsarotra izao ? Voalohany afaka mahita hafaliana isika raha toa ka mihevitra fa tsy faharesana akory ireo karazan-kazofijaliana lanjaintsika amin’izao fotoana izao, fa fandraisana anjara amin’ilay hazofijalian’i Jesoa Kristy, ka feno fanantenana isika milanja izany satria raha nandresy izy dia handresy koa isika miara-milanja aminy.

Faharoa manaraka izany, fanomezana avy amin’Andriamanitra ny hafaliana ka mila angatahana aminy aloha avy eo ankino amin’ireo asa soa nataon’Andriamanitra tamin’ny fiainanao izany fa tsy sanatria akory ankinina amin’ny ezakao samirery na ny fitomboan’ny vola aman-karena, fa hafaliana mandalo no vokarin’ireny. Noho izany, haharitra ny hafaliana, raha mahatsapa fa zanak’Andriamanitra maimaim-poana aho ; raha mahatsapa fa maty noho ny fitiavana antsika ny Zanany lahitokana ; raha mahatsapa fa nofidin’Andriamanitra manokana aho hitory Azy amin’ny toerana izay misy antsika amin’izao…

Farany, isan’ny loharanon-kafaliana ny fananana ny fahafahana amin’ny karazam-patorana rehetra, ny fiadanana sy fahatoniana ary indrindra indrindra ny fiombonan’aina amin’Andriamanitra. Manana ny lanjany manokana ny sakramentan’ny Fampihavanana eto sy ny fahavononana ny hifamela isika samy isika. Ndeha àry isika, hangataka ny famelan’Andriamanitra sy hifamela isika samy isika indrindra amin’izao fihibohana vokatry ny valan’aretina Coronavirus izao, fa izany no hahazoantsika ny hafaliana fa zanak’Andriamanitra, hafalian’ny miaina eto an-tany…

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...