Talata 11 mey 2021 — Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 5-11

Milazalaza ny fandaozany an’izao tontolo izao i Jesoa amin’ity Evanjely anio ity. Hahatsapa hanirery ireto mpianany vokatr’izany ary voatery hiatrika irery ny fanenjehana sy ny fankahalan’izao tontolo izao, ary indrindra indrindra hahatsapa fa toa mangina tsy miteny Andriamanitra manoloana ny fanenjehana. Vokatr’izany fanambaran’i Jesoa ny fandaozany azy ireo izany angamba no nahatonga an’ireto mpianany nanadino ny nametraka ilay fanontaniana manan-danja hoe : "fa ho aiza moa Ianao ry Tompo rehefa miala eto ?". Matetika no mampihidy antsika amin’ny any ivelany ny alahelo, ka mety mahatonga antsika tsy afaka handroso kokoa hanontany, toy ny nataon’ireto mpianatry Kristy ireto. Hadinon’izy ireo fa ho any amin’Andriamanitra Ray i Jesoa, izany hoe handray an’ilay voninahitra efa nomanina ho Azy.

Fakam-panahy mety hahazo antsika amin’izao fotoana izao dia ny hoe : vanim-potoana ratsy ny vanim-potoana iainantsika amin’izao satria tsy eto intsony i Jesoa afaka hiaro sy hitantana ; mahalana dia mahalana ny Tenin’ny Tompo. Hadinontsika fa eo amintsika mandrakariva ny Fanahy Masina izay mampahafantatra antsika hoe iza marina moa ity Jesoa izay arahintsika ity ary ahoana ihany koa ny fomba hiombonana lalina aminy ?

Lazain’ny Evanjely anio fa ny Fanahy Masina dia : "handresy lahatra an’izao tontolo izao ny amin’ny fahotana, sy ny amin’ny fahamarinana ary ny amin’ny fitsarana". Izany hoe hohazavain’ny Fanahy Masina ny fahadisoan’ireo mpitondra jody izay milaza fa fahotana ny mino an’i Jesoa Kristy ; ny tsy finoana an’i Jesoa anefa no fahotana eto. Manasa antsika handinika ny anjara asa lehibe sahanin’ity Olona fahatelo ao amin’ny Trinite Masina, ny Evanjely anio ; koa isaory Andriamanitra noho ity fanomezana lehibe nalefany ho antsika, ary andeha hasehontsika amin’alalan’ny vavaka nampianarin’ireo ray aman-drenintsika fony fahazaza ny fankasitrahantsika an’ity Olona fahatelo ao amin’ny Trinite Masina : Fanahy Masina ô, hazavao ny sainay ! Fanahy Masina ô, herezo izahay ! Fanahy Masina ô, hamasino izahay !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...