Zoma 7 mey 2021 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 12-17

Fitiavana ny namana no fanehoana sy fiainana ilay didim-pitiavana. Izany hoe atao ahoana ny hitia an’Andriamanitra tsy hita maso, raha io namanao io aza tsy tianao, satria ireny hifaneraserantsika isan’andro ireny no endrik’Andriamanitra. Ho an’i Jesoa manokana dia nataony ho namana ireo mpianany fa tsy mpanompo satria efa nanambaràny izay rehetra reny tamin’ny Rainy. Ataon’i Jesoa ho namany satria mitoetra ao amin’ny fitiavany sy mitia tahaka azy. Izaho no nifidy anareo, hoy izy. Notsongain’i Jesoa tao anatin’ny maro ireo mpianany. Ary rehefa nofidiany dia notendreny, izany hoe tsy mahazo misora-tena. Aorian’izay moa dia nirahiny, hirahiny mba hisokatra amin’ny hafa. Ho antsika mpanara-dia an’i Jesoa àry, dia tsy nantsoiny hiolonolona isika fa zava-dehibe ny fifandraisana.

Ary farany, matoa manendry i Jesoa dia mba hahomby izay atao. Ry Havana, any amin’ny sehatra maro samihafa any dia misy ireny tompon’andraikitra notendrena. Ny antony dia mba hitondra vokatra maharitra sy fampandrosoana amin’ny fitantanana. Eo indrindra isika no mila mitandrina be mba tsy hirehareha amin’ny fahombiazana satria isika tsy mahomby amin’ny anarantsika irery fa tamin’ny alalan’i Jesoa. Raha fintinina àry dia hoe nataon’Andriamanitra mba hahomby isika amin’ny zavatra rehetra ka ny fanalahidin’izay fahombiazana izay dia ny fiombonam-piainana an’i Jesoa.

Nifidy antsika tao amin’i Kristy talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao Andriamanitra, mba ho masina sy tsy hanan-tsiny eo anatrehany isika ary nanokana antsika ho mpiara-miasa aminy ho olona hamborahany ireo tsiambaratelony. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...