Zoma 16 avrily 2021 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Ny ondriko mandre ny feoko, hoy ny Tompo fantatro izy ary manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 1-15

Nahita vahoaka be nanatona Azy i Jesoa ka nanontany an’i Filipo mpianany nanao hoe “Aiza no hividianatsika mofo ho azy ireo?”. Azo lazaina fa fantatr’i Jesoa ny ataony hanome mofo ho an’ireo vahoaka be ireo. Eto anefa very hevitra ny mpianatra : vola ohatrinona no ho laniana ? Ka mofo denie roanjato aza tsy ahazoan’ny olona sombiny iray akory. Manam-petra isika olombelona, manampetra ny fahatakaran’ny saintsika, hany tonga olona lehibe ny fahabetsahan’ny vahoaka tonga teo tsy maintsy omena sakafo. Soa ihany fa i Andre nahatsikaritra fa misy zazalahy mitondra mofo ôrja dimy sy hazandrano roa ao.

Miainga amin’ireo kely eo am-pelatanana ireo i Jesoa, niandrandra ny Lanitra, nisaotra an’Andriamanitra, ary Izy mihitsy no lasa nizara ny mofo sy ny hazandrano tamin’ny vahoaka teo, ary voalazan’ny Evanjely fa nampanaranany fo mihitsy ireo vahoakaka nihinana. Eto no ahatsapana fa tonga teto an-tany Izy tsy ho tompoina fa tonga mba hanompo. Tsy nahagaga raha nitady hanangana Azy ho mpanjaka ireto vahoaka ireto, satria nahafaka hanoanana azy ireo Izy.

Tsy mila voatsiary amintsika Andriamanitra fa mampitombo izay eo am-pelatanantsika mba hifampizarana amin’ny hafa. Ny angatahiny dia ny fahafoizantsika eo amin’ny fiainana. Eto no ahafahantsika mandinika fa ny mofo teo ampelatanan’i Jesoa no mahavoky antsika. Tandindon’ny Eokaristia ity fampitomboana ny mofo ataon’i Jesoa ity. Fa i Jesoa mihitsy no Mofo velona nidina avy any an-danitra, hanome ny fiainana ho an’izay mihinana Azy. Mizara hasambarana ho antsika Izy ary manalefaka ny hanoanana mahazo antsika, dia ilay hanoanana ara-panahy. Hanoanana ny fiainana sambatra sy mandrakizay.

Izy no Teny tonga Nofo ary tonga mofo eo ambony ôtely masina. Sakafom-panahy ho antsika koa ny Tenin’Andriamanitra izay atolotry ny Fiangonana hohenointsika rehefa mankalaza ny Eôkaristia, ary hifampizarantsika amin’ny toriteniny. Mamelona antsika isan’andro amin’ny Teniny sy ny Tenany i Jesoa hahatanteraka ny vavaka ataontsika manao hoe : “Omeo anay anio ny hanina hohaninay isan’andro”. Amen !

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...