Zoma 9 aprily 2021 — Zoma amin'ny havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 1-14

Rahefa tafantsangan-ko velona i Jesoa Kristy dia tsy voafehin’ny fotoana sy ny toerana intsony. Izy ilay Andriamanitra mandrakizay, ary manerana ny toerana rehetra ny fisiany. Ny Vaovao Mahafaly androany no manambara fa ity no fisehoana fanintelony amin’ireo mpianany izay nandeha niverina tamin’ny asa fanaony andavanandro. Manaitra eto ny fihetsik’i Jesoa, manatona azy ireo ary manontany hoe : “Manan-kanina hohanina va ianareo anaka”. Ny fihinanana sakafo dia manambara fahavelomana, tsy misy maty mangataka sakafo. Nitondra fahombiazana ny fidiran’i Jesoa an-tsehatra eo amin’ny fiainana. Io fahombiazana io dia vokatry ny finoan’ireto mpianatra nino azy, nino ny teniny. I Jesoa no niteny hoe : “alatsaho ankavanan’ny sambo kely ary ny haratonareo”, ireto mpianatra kosa nanatanteraka izany dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahany.

Eo amin’ny fianantsika andavanandro koa : fianarana, asa, fiaraha-monina dia ahitana tsy fahombiazana toy izay nahazo ireto mpianatra tsy nahazo trondro nandritra ny alina, izay fotoana fantatr’izy ireo fa tsara tokoa hanaratoana. Ny alina dia manambara haizina, manambara ny tsy maha eo an’Andrimanitra eo amin’ny fiainana ka manjary miankina amin’ny hery maha-olombelona antsika fotsiny isika. Na dia izany aza dia tsy mandao antsika Andriamanitra fa eo foana izy ary mahita antsika, fa isika no tsy mahita azy satria mihorona amin’ny tenantsika ; eo izy maniry te-hanampy antsika. Ho ohatra antsika anie ireto mpianatra ireto. Ankinintsika aminy ny fiainantsika amin’izao ady atrehintsika izao. Izy no hanasitrana antsika sy hiaro antsika.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...