Alakamisy 8 aprily 2021 — Alakamisy amin'ny havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 35-48

Niseho tamin’ny mpianatra roa ambin’ny folo lahy i Jesoa. Niseho tamin’ny vatany nitsangana tamin’ny maty, ary dia niara-nisakafo tamin’izy ireo. Nanao izany i Jesoa mba hinoan’ny mpianany fa nitsangana tamin’ny maty tokoa Izy. Tanteraka tsy misy tomika ny voalazan’ny Soratra Masina : ny bokin’i Moizy, sy ny mpaminany ary ny Salamo. Tsy maintsy hijaly i Kristy ary ho faty fa hitsangana amin’ny andro fahatelo. Nazava tamin’ireo mpianany tokoa fa nandresy ny fahafatesana marina ny Tompony.

Hoy i Jesoa : “tsy maintsy torìna amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema, ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany. Ianareo no vavolombelon’izany.” Maro ny mihevitra fa ny pretra sy ny relijiozy ihany no dimbin’ny apôstôly, ka izy ireo no manana adidy hitory ny finoana. Tsy izy ireo ihany, fa ny kristianina rehetra mino vita batemy. Ny fitoriana mahomby indrindra dia amin’ny alalan’ny fiainantsika, ny toetra asehontsika manoloana ireo izay mbola tsy mahalala Azy. Noho izany ny vita batemy rehetra dia afaka mitory an’i Kristy avokoa. Izany no atao hoe mitory Vaovao Mahafaly amin’ny fanomezana ohatra velona. Araka ny fitenintsika hoe ny atao mahasarika fa tsy amin’ny alalan’ny teny ihany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...