Alakamisy 11 marsa 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo; ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 14-23

Famantarana sahady ny fanataterahana ny iraka izay noraisin’i Jesoa tamin’Andriamanitra Rainy ny asa fandroahana ny demony. Fantantsika mantsy fa ny nanirahan’Andriamanitra an’i Jesoa Kristy dia ny hanangana sy hanitatra ny fanjakan’Andriamanitra ary handrava ny fanjakan’ilay ratsy. Ka ity asa fandroahana ny demony nataon’i Jesoa ity dia nahatalanjona ireto vahoaka nanatrika teo, saingy mbola tampina ny mason’izy ireo satria mbola donto ny fony ka tsy afaka nahita ny "rantsan-tanan’Andriamanitra" nandroaka ny demony, tsy nahatsapa ilay fahasoavan’Andriamanitra. Ny sasany aza mbola nitady famantarana hafa, entina hakana fanahy azy.

Fa i Jesoa nahalala ny ao am-pon’izy ireo, ka izany na nahatonga azy namaly hoe "rava ny fanjakana miady an-trano". Rava ny fanjakana miady an-trano satria tsy matoky ny fahasoavan’Andriamanitra, rava ny fanjakana miady an-trano satria tsy mihaino ny tenin’Andriamanitra sy tsy matoky ny asany. Ny tsy fanekentsika ny tenin’Andriamanitra no mahatonga ny masom-panahintsika ho jamba ka tsy afaka ny hahita intsony ny asan’Andriamanitra. Rehefa tsy mihaino sy tsy mino ny tenin’Andriamanitra isika dia jamba ny fo amam-panahintsika, ka tsy mahita zava-mahagaga ataon’Andriamanitra antsika isan’andro.

Ny fanetre-tena na fiankinan-doha amin’Andriamanitra no lalana afahana mankatoa ny asany sy ny fahasoavany. Mazava ny tenin’i Jesoa hoe izay tsy miara-mamory aminy dia manahaka. Ka Izay mamory miaraka amin’i Kristy dia mahatsiaro mandrakariva fa ny voninahitr’Andriamanitra no mampiombona, ny voninahitra tadiavina ho an’ny tena manokana kosa dia mampisaraka. Mazava amintsika ny ohatra nomen’i Kristy androany fa ny herin’Andriamanitra no nandroahany ny demony, ary tsy nitady voninahitra ho azy izy fa ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany no nanaovany izany.

Koa mangataha ny fahasoavan’Andriamanitra isika, mandritra ity karemy ity mba hahay hanokatra bebe kokoa ny fontsika amin’ny tenin’i Kristy, izay teny mampiombona antsika mandrakariva sy mitarika antsika hanome voninahitra an’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...