Alakamisy 4 marsa 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 19-31

Raha ny Evanjely anio, izay mahakasika an’ilay mpanankarena ratsy fanahy sy i Lazara mahantra fadiranovana, no hiaingantsika dia izao no azo lazaina : asaina manokana isika, amin’izao karemy izao mba handinika ny fomba fifandraisantsika amin’ny harena. Mahagaga fa tsy nolazain’i Jesoa mihitsy ny anaran’ilay mpanankarena ao anatin’ilay fanoharana. Midika izany fa isika rehetra io voalaza io satria betsaka ihany koa ny harentsika na dia tsy mitovy aza ny hamaroany (harena amin’ny maha-olona, ara-tsaina, ara-materialy…). Matetika anefa toa mahajamba antsika io harena io no sady mamparenina antsika ka tsy afaka mahita sy mandre ny fitarainan’ireo mijaly. Nasehon’ilay mpanankarena voalazan’ilay fanoharana tokoa izany toe-tsaina izany satria tsy nahalala akory ny fisian’i Lazara mahantra izy ; tsy naheno ny fitarainany izy no sady tsy nahatsapa ny ilainy. Azo heverina fa nihidy tamin’ny tenany irery ihany ilay mpanankarena.

Inona àry ny lesona azontsika tsoahana amin’alalan’ity fanoharana ity ? Toy izao àry ny lesona voalohany : tsarovy fa tsy afa-miankina velively amin’ny harena ny fiainantsika ary tsy afaka hanalava na dia adim-pamantaranandro iray akory izay rakitra sarobidy anananao rehefa ho tonga izay fotoana tsy maintsy hialanao eto an-tany. Nindramina avy amin’ny papa Fransoà kosa ny lesona faharoa manaraka izao : mifanindran-dàlana mandrakariva amin’ny famindram-pon’Andriamanitra amintsika ny famindram-pontsika amin’ny hafa. Noho izany raha tsy mamindra fo amin’ny hafa ianao dia tsy ho afaka miditra ao aminao ny famindram-pon’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...