Talata 9 febroary 2021 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 1-13

Ry kristianina havana. Rentsika teo fa maro ny farisianina sy mpanora-dalàna no tonga nitangorona teo amin’i Jesoa. Haninona ? Hitsikera ny nataon’ny mpianany izay tsy manasa tanana alohan’ny hihinana. Azontsika sary an-tsaina angamba ny fifandrombahana miteny ao anatin’izany satria olona maro ireo. Ny fomba nilazany azy moa dia hoe : nahoana ny mpianatrao no tsy mitandrina ny fanaon-drazana ? Izany tokoa rehefa tsy mahita afa-tsy lafy ratsiny e ! Miandry kendry tohana fotsiny ary avy hatrany dia mitsikera rehefa misy marina kely ananana. Mety ho tratran’izany ihany koa isika, rehefa mba mivorivory na mitangorona, dia mifosa olona sy manaratsy azy no atao ; dia mitovy laharana amin’ny mpihatsaravelatsihy izany, hoy Jesoa. Eto izao, azo lazaina tahaka ny rariny ny fitakiana ataon’ireo. Ilaina tokoa ny manasa tanana rehefa hihinana. Ary amin’izao mbola misy valan’aretina izao dia entanina mafy amin’izany isika mba tena hidio tsara.

Fa izao, misy fampianarana tian’i Jesoa hatao amin’ity valin-teniny ity. Marina tokoa, hoy Izy, ny naminanian’i Izaia mpaminany anareo hoe mpihatsaravelatsihy : manaja an’Andriamanitra amin’ny molotra fa manalavitra amin’ny fo. Mitàna ny fomban-drazana fa manadino ny didin’Andriamanitra. Izany hoe te hanasongadina ny tena dia ny hafa no haratsiana. Ny lesona tiana hotsoahina àry dia izao : voalohany, aza maika mitsara olona fa asan’Andriamanitra izany. Ny fifanitsiana am-pitiavana kosa dia takiana mihitsy. Faharoa, na dia tsara be aza ny endrika ivelany, hampiasana izao karazana ranomanitra sy poudre isan-karazany nefa ny ao anaty mankahala, manararaotra, manao tsindrio fa lavo, mifosafosa, sns dia maloto eo anatrehan’Andriamanitra izany. Fahatelo, manaitra ny fihetsik’i Jesoa eto : miaro ny mpianany hatrany Izy. Dikan’izay, ho an’izay manaraka an’i Jesoa na mitafy ny tsy fahalavorariana aza dia arovan’Andriamanitra sy dioviny. Fa, ho an’izay tsy mandray an’i Jesoa sahala amin’ny farisianina, na dia sahala amin’ny hoe tsy misy tomika aza dia mitafy ny fahalovana eo anatrehan’Andriamanitra. Io ilay ambaran’ny Papa ao amin’ny Gaudete et Exhultate hoe fahalovana ara-panahy (corruption spirituelle).

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...