Zoma 5 febroary 2021 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ; tariho amin’ny Fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 14-29

Ry krisitianina havana, tsy ampy ahafantarana an'i Jesoa ho Mesia ny fahitana fahagagana. Izany hoe, tsy voatery hiteraka finoana ny fahitana. Maro ireo nihaona tamin'i Jesoa, nahita fahagagana, na farafahatratsiny naheno ny momba Azy, fa tsy nino hoe Izy no ilay Mesia andrasana.

Nampidirin'i Masindahy Marka ao amin'ny fitantarany ny fanirahana ny Apôstôly, ny namonoana an'i Joany Batista. Entina hilaza fa mety hihatra aman'aina ny fitoriana ny fanjakan'Andriamanitra. Toa an'i Jesoa, toa an'i Joany Batista, tahaka izany koa ireo Apôstôly sy ireo martirin'ny Eglizy namakivaky ny taonjato maro. Tsy raraka an-tany anefa ireny fa tahaka ny rano nanondrahana ilay voa tsara nafafy, ho tonga hazo.

Ny antony namonoana an'i Joany Batista, dia izy nijoro tamin'ny marina ny amin'ny fitondran-tena : tsy azo vadiana ny vadin-drahalahy, araka ny Levitika 20, 21. Aoka isika ho sarotiny amin'ny soatoavina, fa tsy ho baranahany amin'ny fitondran-tena. Voafandriky ny molony i Heroda mpanjaka teto, ka tsy maintsy nampanapa-doha an'i Joany Batista, na dia tsy sitrany aza izany. Indraindray isika, mamato-tena fahatany : mivoady etsy, mihaniana eroa. Ataovy ampy ny fikasana tsara ombana fiainana.

Enga anie tsy hivadika amin'Andriamanitra isika, na dia hihatra aman'aina aza. Amen.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...