Alatsinainy 25 janoary 2021 — Ny nibebahan'i Masindahy Paoly — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 16, 15-18

Novain'ny Tenin'i Jesoa sy ny fahasoavan'Andriamanitra ilay Saoly mpanenjika ny kristianina fahiny ka tonga i Paoly, mpitory ny Tenin'Andriamanitra sy nanambara hatraiza hatraiza an'i Jesoa nitsangan-ko velona ; ary nahavita nilaza mihitsy hoe : “Tsy izaho no velona fa i Kristy no velona ato amiko”. Anisan'ny nanatanteraka antsakany sy andavany ny tenin'i Jesoa eto amin'ny Evanjely izy : “Mandehana ianareo amin'izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin'ny voaary rehetra”. Nahavita be tokoa i Masindahy Paoly tamin'io fitoriana ny Evanjely io. Nandeha an-tongotra, nandeha sambo ; nametraka amin'izay rehetra nolalovany ny fototry ny finoana, dia Ilay Kristy nitsangan-ko velona ; nanoratra taratasy maro izay mirakitra sy mandrafitra ny Baiboly na ny Testamenta Vaovao. Hany ka nampibebaka olona maro toa azy. Nanaiky ho tarihin'i Jesoa izy ka nibebaka marina tokoa satria izay nenjehiny sy nezahany nopotehina indray no indro tonga fototra niorenan'ny fiainany.

Tsapan'i Paoly tao anatiny, araka izany, ny fitiavan'Andriamanitra azy ka afaka nahavita be tamin'ny fitoriana ny Tenin'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fitetezana firenena maro izy. Tsy nataony ho sakana ho azy ireo olana maro nosedrainy teny am-pitoriana ny Vaovao Mahafaly : fanenjehana, fandrahonana ho faty, sy ny maro tsy voatanisa. Tsapantsika eto fa manova olona tokoa ny Tenin'i Jesoa, nanova an'i Paoly ho mpitorinteny mafana fo ka nifidy an'i Jesoa ho fiainana, namela ireo fiainana nahazatra teo aloha, izay fahalalana nananany tamin'ny Lalàna jody. Koa afaka manova antsika koa araka izany, ny Tenin'Andriamanitra rehefa raisina ho tena fiainana. Tsy hoe ho an'ny fiaianana any an-koatra ihany fa manomboka amin'izao fiainantsika eto amin'ny tany fandalovana izao. Manampy antsika hanana toe-po sy toe-panahy hahamamy hoditra antsika eo amin'ny fiaraha-monina misy antsika, hahafoana ny fifanenjehana. Ho môdely ho antsika i Masindahy Paoly amin'ny fanarahan-dia an'i Kristy ka hijoroantsika ho tena kristianina mahafoy tena hanompo ny namana sy ny Fiangonana. Amen !

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...