Alatsinainy 18 janoary 2021 — Herinandro faharoa mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 18-22

Misy mandrakariva ny mpifanohitra amin'i Kristy, eny fa na eo am-panaovana asa soa aza. Tsy natahotra na nihemotra anefa Izy, fa vao mainka nanamafy ny firaisan-kinany tamin'ny mpianany. Nitondra ny Vaovao Mahafaly, tamin'ny mpifanandrina aminy. Trangam-piainana roa no natrehan'i Kristy, araka ny voasoratr'i Masindahy Marka. Ny voalohany dia izy namindra fo tamin'ity malemy, nentin'ny lehilahy efatra mba hositraniny, ary ny Mpanora-dalana kosa dia nanenjika Azy ho "mpiteny ratsy an'Andriamanitra". Hitantsika izany ao amin'i Masindahy Marka 2, 1-12.

Ny faharoa kosa dia ity vao henontsika teo ity. Tsy sasatra ny manipy zava-baovao amin'ireo mpanohitra Azy i Kristy, mba hahatsapan'izy ireo fa fianam-baovao tokoa no entin'i Kristy. Tsy misy olona manapina akanjo tonta amin'ny tapa-damba vaovao, hoy Izy. Tsy hoe, mampianatra azy ireo tsy hanara-dalana akory, na tsy hanaraka izay fomba eo anivon'ny fiaraha-monina i Kristy, fa mampianatra kosa mba hijery ny maha olona. Fanoharana momba ny fampakaram-bady no hisintonan'i Kristy ny sain'izy ireo eto. Olona ao anaty fety ve, dia hifady hanina ? Nefa tsy marary, tsy mari-koditra. "Raha mbola eo aminy ny mpampakatra dia tsy mahazo mifady izy". Ao anatin'ny hafaliana miaraka amin'i Kristy ny mpianany, ka tsy avelany hijaly, na ho faty noana. Isika ihany koa àry, no entanin'izany Evanjely izany, mba hiara-dalana amin'i Kristy mandrakariva, amin'izay afaka mandresy tosika ireo mety hifanohitra amintsika, satria efa tsara mpiantoka fa manana ny vonona.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...