Alakamisy 14 janoary 2021 — Herinandro voalohany mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 40-45

Ry kristianina havana ! Fantatsika tsara ny aretina habokana fa ratsy ary mamindra. Ireo olona voan’io aretina io dia atoka-monina satria toy ny maloto ka tsy tiana handoto ny olona na hamindra amin’ny hafa. Ny aretina moa ao amin’ny Baiboly dia heverina ihany koa ho toy ny fahotana ka anisan’ny hitalahoana famindram-po amin’Andriamanitra ny hahasitrana azy. Ny aretina mbola sedraintsika amin’izao fotoana izao, dia io Coronavirus io, tsy maintsy atoka-monina izay olona voany. Nanatona an’i Jesoa anefa ity boka ity nangataka ho sitraniny ka sitrana. Finoana no nanosika azy, ary finoana narahina dingana nanatona. Efa noresahantsika teto omaly ny mahakasika izay fifanatonana izay mba hahatanteraka ny famonjena antsika. Tsy afaka manatona olona hafa isika raha voan’ny aretina Covid-19, nefa tsy manakana antsika kosa izany hivavaka, hitalaho fahasitranana amin’i Jesoa ary raha manana finoana sy fahatokisana isika dia manasitrana antsika Izy.

Fandrentsika matetika ao amin’ny Evanjely koa io fandraran’i Jesoa an’ilay boka sitrana io hoe aza milazalaza na amin’iza na amin’iza. Izany ilay tsiambaratelon’ny maha Mesia Azy, izay tsy tiany aseho raha tsy tafatsangan-ko velona Izy. Izy anefa milaza hoe mandehana miseho amin’ny mpisorona ary mandidy hanolotra fanatitra ho mariky ny fahasoavana azo sady fisaorana an’Andriamanitra. Mampianatra antsika i Jesoa fa na inona na inona fahagagana sy fahasoavana entin’Andriamanitra amintsika eo amin’ny fiainana dia tokony isika hanaja mandrakariva ny fitsipika sy ny lalàna mifehy ny fiaraha-monina, na firenena, na Fiangonana. Fanajantsika izany lalàna izany ny fanolorana fanatitra andidian’i Jesoa ilay boka sitrana hatao eto. Ry kristianina hava-malala, ny Eokaristia anasan’ny Eglizy antsika mba ho vonjentsika isan’andro na farafaharatsiny isan-kerinandro dia fanehoantsika izay fankasitrahana an’Andriamanitra noho ny fahasoavana omeny antsika izay. Aza raisina amin’ny maha didin’Andriamanitra azy fotsiny io, na dia anisan’ny lalàna azy, fa raiso ho toy ny fisaorana mandrakariva avy ao am-po satria soa sesehena isan’andro no omeny antsika. Fahalalam-pomba tsara ary toetra mendrika ny fahaizana mankasitraka koa misaora an’Andriamanitra lalandava.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...