Zoma 8 janoary 2021 — Herinandro manaraka ny Epifania — Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa, ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 12-16

Ny habokana dia aretina tena ratsy ho an’ny Jody, ary ireo boka aza dia tsy avela mihitsy hifampikasoka amin’ny fiaraha-monina. Eto amin’ity Evanjely ity dia manam-pahasahiana ity boka iray nanatona an’i Jesoa, satria fantany fa Izy irery ihany no afaka manasitrana azy. Fihetsika feno fanetren-tena no nasehony satria niaiky ny tsy fahadiovany izy na ara-batana na ara-panahy : "Tompoko, raha mety ianao, mahay manadio ahy". Eo amin’ny fiainantsika àry dia miandry an’io teny io foana i Jesoa mba hahafahany manampy antsika sy manova ny fiainantsika.

Ankehitriny ny habokana dia ireo fahotana izay ao am-pontsika ao. Izy Jesoa ihany anefa no afaka hanasitrana izany raha manao dingana sahala an’ity boka ity isika : manatona Azy am-panetren-tena sy am-pahamarinana. Izany dia atao ao anatin’ny sakramentan’ny fampihavanana izay ny Pretra no manadio antsika, izany hoe mamela ny fahotana amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, mba ahafahantsika miombona indray amin’Andriamanitra sy ny Eglizy. Tahaka izay koa, ity boka ity rehefa sitrana, nasain’i Jesoa niseho tamin’ny mpisorona mba hahafahany indray niverina any amin’ny fiaraha-monina.

Ilaina tokoa àry, araka izany, ny fanekena an’ireo habokana izay ao am-pontsika ka mahatonga tsy hadio. Izay no manosika antsika ho any amin’i Jesoa amim-pahatokisana sy amim-panetren-tena, mba ho sitraniny.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...