Alarobia 30 desambra 2020 — Andro fahenina amin'ny havaloan'ny Noely — Imbetsaka fahiny Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany ; nony farany, amin’izao androntsika izao kosa dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 36-40

0 : 00

Anisan’ireo mahantran’ny Tompo i Ana, miandry sy miantehitra ny fanavotana araka ny nampanantenain’Andriamanitra tamin’ny vahoakany. Ny fiainan’i Ana manontolo no nanehoany ny fiandrandrana izany, tamin’ny fanompoana nataony tao an-tempoly, ny vavaka sy ny fifadian-kanina, fomba itadiavana sy anatonana ny Mpamonjy, ikatsahana an’Andriamanitra. Mampianatra antsika hitady ny Tompo ny nataon’ity mpaminany vavy ity, nanoro antsika koa ny fomba tsy hahatapaka ny fifandraisana Aminy.

Tao an-tempoly no nandaniany, niandrasany ilay Mpamonjy nampanantenaina. Ary rariny sy hitsiny raha toa ka tojo ity nantenainy izy, tafahaona tamin’i Jesoa Zazakely. Io nataon’i Ana io no mampianatra fa ao an-tranony Andriamanitra no miandry antsika, ao Izy no miteny amintsika, ary amin’ny vavaka sy fifadian-kanina no hikolokoloan ny fifandraisana Aminy.

Tsy fomba fanao mahazatra ny famonjena fiangonana ho antsika, fa fihaonana amin’ilay Mpamonjy. Enga anie mba homentsika lanja ary tsy hatao ambanin-javatra fa adidy maneho ny maha isika antsika eo anatrehan’Andriamanitra izany. Jesoa zokinay ô, tonga eto anivonay Ianao, tonga hanafaka alahelo an’ireo mitady Anao amim-po mahitsy. Aza avela ho variana foana amin’ny zava-mandalo izahay fa ataovy tsara fifandraisana Aminao mandrakariva.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...