Talata 29 desambra 2020 — Andro fahadimy amin'ny havaloan'ny Noely — Andro masina no mamirapiratra ho antsika : avia, ry vahoaka, hitsaoka ny Tompo, fa hazavana lehibe no tonga eto ambonin’ny tany amin’izao andro izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 22-35

0 : 00

Asongadin’i Masindahy Lioka amin’ity Evanjely ity fa i Kristy tonga nofo no fahazavan’ny jentily, satria :

  • Izy no hampianatra ny olombelona ny lala-marina hahitany an’Andriamanitra. Miainga amin’io zaza teraka an-tranon’omby io no itarihan’Andriamanitra antsika olombelona, hanavaozany ny fiainantsiaka sy ny fombantsika hizorana amin’ny mazava, dia isika miaina ao amin’ny aloky ny fahafatesana.
  • Tao Aminy koa no tanteraka ny fampanatenan’Andriamanitra momba ny famonjena ny olombelona, araka ny tenin’i Simeona hoe : "ny masoko no nahita ny famonjena avy aminao, izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra". I Kristy tonga nofo no mpamonjy izao tontolo izao, ka izay mila famonjena dia manatona sy mandray Azy.

Ny toe-javatra misy sy iainana ankehitriny, indrindra fa ireo karazana haratsiana manjaka eran’izao tontolo izao, dia vokatry ny fanadinoana an’Andriamanitra ka ilantsika an’i Kristy, ilay Mpamonjy, hampianatra antsika ny toe-piainana vaovao, hiainana ny fiadanana sy ny fanambarana marina. Io Kristy tonga toa antsika io no araho sy ifandraiso fa ao Aminy irery no tonga lafatra ny fanavotana antsika.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...