Sabotsy 26 desambra 2020 — Masindahy Étienne, martiry — Hisaorana anie Ilay avy amin’ny Anaran’ny Tompo ; ny Tompo Andriamanitra Mpanazava antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 17-22

0 : 00

Vao avy nankalaza ny Noely isika dia mankalaza an’i Masindahy Etienne, maritiry voalohany. Tsy azo sarahina izany satria mirafitra sy mifahatra ao amin’i Jesoa tonga teto ambonin’ny tany ka maty sy nitsangana ho velona ny fiainan’ny mpianany sy ireo mpanara-dia Azy. Noho i Jesoa no nahatonga ireo maritiry handatsaka ny rany, ka isan’izany i Etienne. Fitiavana no nahatonga an’i Jesoa honina eo anivontsika fa fitiavana ihany koa no namoizan’i Etienne ny ainy. Fa ny antsika mba ahoana ny fiainantsika izany fitiavana izany ? Hatraiza ny fitiavantsika : fitiavana salobon-komana sa voazarazara ? Fitia varavarana sa fitia paraky na sigara ? Fitiavana finday sa ordinateur sa “facebook” ? Fitiava-namana ihany sa tonga hatramin’ny fahavalo ?

I Etienne izao, namela ny helok’ireo namono azy. Ohatra lehibe ho antsika izany. Izao mantsy : misy samy kristianina, samy iray fiangonana, samy avy nanao Kômonio aza, nefa mifanao ankolafiny, mifanenjika sy mifampitory mihitsy aza, manao tany avo avaratra sy omby mahia tsy lelefin’ny namany. Isika mifankatia anefa no ahalalana fa mpianatr’i Kristy, ka sao efa niova lasy ! Efa nambaran’i Jesoa mialoha io fifanoherana sy fifankahalana io ka tsara alavirina. Ny hanala antsika amin’izany no anton-dian’i Kristy, tonga eo anivontsika. Avelao ny Fanahin’Andriamanitra hiasa fa mahavita mihoatra lavitra noho izay heverina sy sainina Izy. Mitsoka malefaka, tsy fantam-pahatongavana Izy kanefa tena miasa tokoa. Aza teren-ko masaka toa voalobo-jaza na kivarivarin’ankizy ny fiasany fa tena eo anivontsika tokoa izy, miasa amintsika rehetra.

Eo amin’ny fiainana tsarovy fa tsy voatery ho tia antsika avokoa ny olona rehetra, fa na mety na tsia mety ny atao, mahita hanankianana foana ny olona, na tsara na ratsy no miseho toa misy tsininy foana, toy ny mpandihy lava volon-kelika. Ireny olona zatra manakihana ireny anefa no tena tsy misy apoaka rehefa asaina manao zavatra na tonga eo amin’ny toerana. Rehefa any ivelan’ny kianja, tena mahay loatra aza noho ny mpilalao, fa raha ampandraisana anjara lasa lavaka fotsiny ! Izao koa anefa, tsy ireny ramatahora sy fanakianana ireny akory no atao hampitakemotra fa vao mainka aza mandrisika antsika tsy hikemo fa hiroso hatrany, toa an’i Etienne ankalazaintsika izao, ka na hamoizana ny aina aza tsy nampaninona azy akory. Hanampy antsika amin’izany izy. Amen.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...