Alakamisy 24 desambra 2020 — Ry ilay Mpanjakan’ny firenena rehetra, avia ary vonjeo ny olona izay noforoninao tamin’ny vovotany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 67-79

0 : 00

“Feno ny Fanahy Masina i Zakaria, ka naminany” Isika nandray ny Fanahy Masina tamin’ny Batemy, dia ny Fanahy fananganan-janaka, sy tamin’ny Fankaherezana, nandray ny fanomezana fiton’ny Fanahy Masina, ary matetika isika no miantso ny Fanahy Masina hirotsaka amintsika rehefa handinika na hanao zava-dehibe na hanao fanadinana... koa nahoana moa no tsy maha ao amintsika io Fanahin’Andriamanitra io ? Fa isika no tsy mihaino Azy fa manentsi-tadîny aminy matetika ka mivily lalana sy manaonao foana. Rehefa tena ampoka Azy dia afaka manao toy ny nataon’i Zakaria eto : misaotra an’Andriamanitra. Ny bitsiky ny Fanahy, manoro antsika ny lalan-kombana, mitarika antsika ho amin’ny marina ka hiaina ny tena fitiavana marina. Koa aoka isika hanaiky ho tarihin’ny Fanahy Masina, aza atao anjoron-bala Izy na hodiana fanina amin’ny bitsika ataony.

Vantany vao nisokatra ny vavan’i Zakaria dia mipololotra avy amin’ny vavany ny fiderana an’Andriamanitra. Maneho ny fifikirany tamin’ny Tompo izany. Nitantana ny fiainany Izy Andriamanitra ka ho afaka hanana zanaka ihany na dia efa antitra aza. Ny fisaorana nataony tamin’Andriamanitra teto tsy fisaorana miolonolona fa misokatra amin’ny hafa dia Izy Andriamanitra aloha voalohany, ka nomarihiny tamin’izany fa Andriamanitr’i Israely fa tsy azy irery, vao ny olon-kafa, ka nilazany hoe : tonga namangy ny olony, ny fokon’i Davida… fa notanterahan’Andriamanitra ny fampanantenany voalazany tamin’i Abrahama. Tsy mivadika amin’ny teniny Andriamanitra ; izany no itokisantsika Azy. Rehefa mivavaka kosa isika matetika maika ery ny mivavaka ho an’ny tenantsika fotsiny ihany : ny ho ahy, na ny akaiky amiko fotsiny fa tsy mivelatra. Tsy ampy izany fa ialina misokatra bebe kokoa, eny hatramin’ny fahavalo aza moa sy ho an’izay manenjika antsika ka mivavaka ho azy ireny mba hibebahany fa tsy ny hanaratsy azy. Ho tonga ny Mesia, ka tsy ho an’ny tenantsika fotsiny ihany fa ho an’ny rehetra, na ny mino na tsia. Ny hamonjy ny rehetra no hahatongavany, ka tsy tiany hisy ho very na iray aza fa isika no manary tena matetika, tsy mandray izany famonjena atolony izany.

Vita izany rehetra izany vao nitodika tamin’ity zanany i Zakaria, naminany ny momba azy : ho mpaminanin’ny Avo indrindra, hialoha ny Tompo ka hamboatra ny halehany, hanome ny olony ny fahalalàm-pamonjena amin’ny famelana ny helony. Tsarovy fa isika koa toa an’i Joany Batista : tonga mpaminany isika vao vita batemy, ka ampiasao izany fa aza ampirimina toy ny zavatra sarobidy ka saro-tadiavina na koa atahorana hisy hangalatra ka arovana tsara. Mialoha lalana ny Tompo, mitondra ny olona ho eo amin’i Jesoa, mitarika azy ireny hibebaka. Aza atao varo-mora ny fiainana ny finoana, indrindra amin’izao ankatoky ny Noely izao. Amen.

[Miara-dàalana] Zoma 27 septambra 2024

♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...