Alahady 20 desambra 2020 — Alahady fahefatra amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 28-36 — Inty aho mpanompovavin’ny Tompo aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao.

0 : 00

Efa mihantomotra, toy ny oron-tsaka ny andro hankalazantsika mianakavy ny Noely, na ny fahatongavan’Ilay Zanak’Andriamanitra eo anivontsika. Ny Evanjely naroso ho dinihintsika kosa mahakasika ny Filazan’ny Anjely tamin’i Maria ny fahatongavana ho nofo. Efa fahenontsika matetika izy ity, indrindra amin’ireny fotoana fahatsiarovana na fankalazana an’i Masina Maria ireny ato amin’ny Eglizy. Nirahin’Andriamanitra ny Anjely, mpitondra hafatra hanambara zava-dehibe amin’ity tovovavy iray voafidy ho renin’ny Zanany ity, hanome vatana maha olombelona Azy. Fa isika koa iraka, toy ny Anjely hatramin’ny nandraisantsika ny Batemy, ka mahatonga hafatra tsara ve sa mitelin-kafatra sa manova hafatra ? Ny vatokely no “i Koto” faniraka fa isika kristianina irahina ka tsy mety ny mipetrapetra-potsiny, tsy mety ny hoe kristianina tsotra fa aoka ho kristianina mandray andraikitra, miaina ny bateminy fa tsy manao izany ho an-joron-damba fotsiny ka mitondra ny olona ho eo amin’i Jesoa na mitondra an’i Jesoa ho eo amin’ny olona. Izany no iraka takiana amintsika. Koa satrin’ny mpaniraka ny ho lasa lavitra fa metimety amin’ny irahina ny ho eo akaiky ihany, koa mitandrema tsara isika.

Manaraka izany, miditra amin’ny fiainantsika eto Izy Andriamanitra, ka tsy hamotika ny kinasantsika fa handavorary kosa izany, koa mety mihitsy ny mampifanaraka ny sitrapon’Izy Andriamanitra amin’ny antsika fa tsy izay mahasoa antsika fotsiny ihany ka manjary mifamadika, izany hoe : manery ny sitrapon’Andriamanitra hanaraka ny antsika ; zava-doza ! Modely ho antsika eto i Masina Maria : nanao “eny” tamin’Andriamanitra na somary mananosarotra aza ny lalana tsy maintsy ho diaviny manomboka hatreto. Ny “eny” ataontsika aoka tsy ho indray mandeha ihany fa “eny” mandrakariva amin’Izy Andriamanitra, ka havaozina matetika. Mitovy amin’ny “Amen” fanaontsika rehefa manao Komonio izany “eny” izany, ka hahatonga nofo Ilay raisintsika. Akaiky tokoa ny Noely ka mahay manao “eny” amin’Andriamanitra ve isika sa “eny” amin’olon-kafa na zavatra hafa no betsaka ka tsy misy hidiran’Andriamanitra intsony. Izy Andriamanitra no ho tonga eo anivontsika ka tokony ho Izy no ho imatimatesana fa tsy zavatra hafa no mbola mameno ny fo amam-panahintsika ! Ny “eny” atao amin’Andriamanitra tsy mba hanenenana fa vao mainka aza ahitana hasambarana raha mahay manararaotra izany isika ! Eny, na somary mandalo fitsapana aza indraindray ! Koa alao hery e ! Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...