Talata 15 desambra 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 28-32 — Mitadiava ny Tompo dieny mbola mety ho hita Izy; miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.

0 : 00

Matetika ny mpanohitra ny hevitr’Andriamanitra no manao velam-pandrika amin’ny alalan’ny fanontaniana an’i Jesoa, indrindra moa fa ireto lohandohan’ny mpisorona sy ireto loholona ireto. Eto indray anefa, dia ny mifanohitra amin’izany satria i Jesoa izao mihitsy no mametraka fanontaniana, mba tian’i Jesoa hakàna hevitra sy hanaposahan’izy ireo izay tena ao am-pony. Olona mirahalahy mpiray tampo, mifanapatsinay, mifampizoky sy zandry, mpirahalahy mianala, nirahandrainy hiasa sy hitrandraka any amin’ny tanim-boalobony. Ilay voalohany, izany hoe ilay zokiny, dia namaly avy hatrany hoe "tsy handeha aho" kanjo nanenina mafy ka nandeha ihany. Ilay faharoa kosa, izany hoe ilay zandriny, dia tsy nandà velively fa nanaiky : "handeha Tompoko" nefa tsy nandeha akory izy !

Miainga avy amin’ireo tranga roa mifanohitra ireo no hisintonantsika lesona amin’ny fampandinihan-tena nataon’i Jesoa : "Iza moa amin’izy roa lahy no nanao ny sitrapon’ny rainy ?" Angamba na isika koa aza dia nalaim-panahy ka malama vava èry hanome rariny amin’ilay lahimatoa satria izay fatra-mpandà kay no tena manaiky. Ary manesoeso an’ilay faharoa hoe toa resaka ambony vavahady, fampanantenana poakaty fa ny fanatanterahana mirefarefa sa resaka sain-jaza ?

Ry havana, samy manana ny toetrany isika olombelona ! Na mitovy izao aza ny iraka ampanaovin’Andriamanitra amintsika. Na mitovy izao azy ny antso iombonana katsahan’Andriamanitra amintsika dia misy mandrakariva ireo minia mikipy na manam-pitsofina manao bemarenina tsy mitodika na mba manompy maso akory ny zavatra ankinina aminy. Tsarovy anefa fa ny adidy tsy an’olon-dratsy, ary ny teny manaitra fotsiny ihany fa ny atao kosa no mahababo sy mahasarika. Ny fiainantsika dia mila raisina an-tanana. Izany hoe tompon’andraikitra zato isan-jato amin’ny fiainantsika isika. Ary isika ihany no nataon’Andriamanitra ho fitaovana ho an’ny tenantsika sy ho an’ny hafa manodidina antsika. Tandremo àry, ny nenina tsy aloha hananatra fa aoriana handatsa ! Toa Andriamanitra indray oa no mihafihafy eo anoloan’ny safidin’olombelona ! Fa nahoana ?

Tsy ilàna fandàvana fa ilàna fanekena ny fanatanterahana ny sitrapon’Izy Andriamanitra, ary ny fanekena dia mila tanterahana antsakany sy andavany. Izay no tsy maintsy atao filamatra fa sao dia tanteraka ilay nambaran’i Jesoa hoe sao dia ny pôblikana sy ny vehivavy janga indray no efa mialoha lalana antsika any amin’ny fankakan’Andriamanitra !

Jesoa Zokonay ô ! Betsaka tokoa ny antsirambina sy ny antandrevaka ataonay manoloana ny asa na ny iraka ampanaovinao anay, koa aza izay no jerena fa izay mba ezaka hataonay isan’andro vaky hioharanay amin’ireny, omban’ny tsondranonao, ka ho tsaroanay mandrakariva anie ny hafatrao hoe : "Andeha ianao, Andeha ! Mankanesa any antanim-boaloboko, ilazao re, ilzao taon-jina ny mpianatro. Dia homankomano ny vokatra fa efa antomotra izao ny taona fijinjana". Amen !

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...