Alatsinainy 14 desambra 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 23-27 — Ho avy ny Tompo, tsenao izy ; Izy no Mpanjakan’ny fiadanana.

0 : 00

Talohan’ny nampianaran’i Jesoa tao an-tempoly dia nandroaka ireo mpivarotra sy ny mpanakalo vola tao Izy. Hentitra Izy tamin’izay fotoana izay, ary tezitra mihitsy satria tsikaritra tamin’ny fihetsiny izany. Izay tranga sy fihetsika izay no nahasadaikatra ireo lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona ka nahatonga azy ireo nametra-panontaniana sady vinitra tamin’i Jesoa nanao hoe : "Fahefana avy aiza no anaovanao izao ?, ary iza no nahazoana izany ?" Mazava loatra fa tsy hoe fanontaniana saro-baliana izany ho an’i Jesoa, saingy tsy namaly mivantana i Jesoa fa fanontaniana ihany koa no nasetriny azy ireo : "Avy taiza moa ny batemin’i Joany, avy tany an-danitra sa avy tamin’olona ?" Tena sanganehana tokoa ireo lohandohan’ny mpisorona sy ireo loholona. Tena izany tokoa ny hoe mpijoko voajoko.

Ny nahatonga an’i Jesoa nametraka fanontaniana azy ireo dia ny hamafin’ny fon’izy ireo ihany, satria na inona na inona holazain’i Jesoa mba hanamarinany sy mba hanaporofony amin’ny alalan’ny iraka sy ny asa notanterahany dia tsy hino velively izy ireo hoe avy amin’Andriamanitra izany. Indraindray koa isika dia toa misalasala amin’ny fahefan’i Jesoa. Izay anefa dia toa mampihen-danja ny fiainam-pinoantsika ka zary lasa fombafomba sy fahazarana fotsiny sisa ny vavaka sy ny fandraisana sakramenta. Mahaiza mihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina àry, ary matokia fa aza misalasala fa i Jesoa dia irak’Andriamanitra ary zanak’Andriamanitra izy tonga hamonjy antsika.

Androany ihany koa ny Fiangonana dia mahatsiaro manokana an’i Masindahy Jean de la Croix, ilay pretra Mpampianatry ny Eglizy. Ho azy dia ny fitiavana no sira nahamasina, zezika nahalonaka ary lalivay nampibohoka ny fiainam-panahy, satria hoy izy hoe : "Eo amin’ny toerana fiangonana ny fitiavana dia mamafaza fitiavana dia hioty fitiavana ianao, ary rehefa tapitra ny fiainantsika eto an-tany dia zavatra tokana no hitsarana antsika dia ny fitiavana".

Ry Jesoa ô, ny fahefanao dia vokatry ny fitiavana sy ny fahamarinana, koa ampio izahay hahay handray izany na dia toa manohana anay aza izy noho ny fitiavan-tenanay tafahoatra. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...