Zoma 11 desambra 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 16-19 — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay, mba hifalianay amin’ny fo lavorary.
Ry havana, sahirana mihitsy i Jesoa eto manoloana ny toetran’ireto vahoaka manoloana Azy, hany ka velom-panontaniana hoe amin’ny inona no anoharana azy. Ny antony dia satria toa mifanohitra amin’ny zava-misy foana ny fiainana asehon’ireo ; toa manana ny heviny sy ny tiany hatao fotsiny : nitsoka sodina, tsy nandihy ; nanao hira mampalahelo, tsy nandon-tratra, tsy mitomany. Dia inona ihany àry izany, hoy ny fitenintsika rehefa mba sahiran-kevitra toy izany isika. Izany no atao hoe tsy fahaza-miaina. Fa, fanampin’izay, mbola miandry kendritohana fotsiny amin’ny ataon’ny olona mba ahafana mitsikera sy miampanga azy. Jereo ny fomba ilazan’i Jesoa azy eto : “tonga I Joany, tsy nihinana tsy nisotro : lazaina fa azon’ny demony ; tonga indray ny zanak’olona : nihinana sy nisotro lazaina fa lian-kanina sy mpisotro divay”.
Ny fampianarana tiana hasongadina miainga amin’izay àry dia izao. Voalohany, aza manahirana olona amin’ny toetra : mba manaiky alamina sy mahay miaina ny zava-misy eo, fa tsy sanatria ny vava ho mpanohitra foana, tsy mahay mijery afa-tsy ny lafy ratsiny. Tsy mampandroso ny toetra toy izany ary indrindra indrindra toetra tsy mendrika ahafahana mandray ny Mpamonjy. Ao anatin’ny Fiaviana isika izao, fotoana natokana handinihan-tena sy hanavaozana ny fiainana. Faharoa, aza manahirana an’Andriamanitra. Hafa ny fiainana ety ivelany dia hafa ihany koa ny fiainana ao anaty. Fihatsarambelatsihy mantsy izany. Fantatr’Andriamanitra foana anie io : ny ilaina dia isika tsotra, ary ny ataontsika ihany no hanamarinana sy hitsarana antsika.