Alahady 29 nôvambra 2020 — Alahady voalohany amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 13, 33-37 — Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao ! ary omeo anay ny famonjena avy aminao.

0 : 00

Ry kristianina havana, Alahady voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo isika anio. Arahabaina isika mianakavy tratran'izao taona vaovaon'ny Fiangonana izao. Ho soa, ho tsara anie ny taona manontolo. Entanin'ny Fiangonana isika hiantso ny Tompo : "Tongava, ry Tompo tsara fo". Antso sy talaho am-pitokiana miandrandra famonjena izany. Torintsika amin'ny fiekem-pinoana rahateo ny hoe ho avy amim-boninahitra i Kristy, hitsara ny velona sy ny maty : famonjena izany ho an'izay mino.

Lehibe indrindra amin'ireo toe-panahy iandrasana ny Tompo ny fahavononana. Fiambenana no teny averimberin'ny Evanjely. Tsy hoe, sao misy mangalatra tonga fotsiny ihany no antony iambenana, fa vantany vao tonga eo am-baravarana ny Tompo, mandondona, na amin'ny firy na amin'ny firy, dia vonona ny hamoha azy, izay no antony iambenana.

Fa mbola tsy eo tokoa ve ny Tompo, amin'izao fotoana ? Lasa lavitra ? Zanaka tiana isika, zanaka itokisana ka tsy mila araha-maso na tenenina lava, fa atrehi-mahefa, iamboho-mahavita. Lehibe indrindra sady mila fahamalinana koa ny mitazona ny fitokisana napetraka. Raha sanatria ka efa namadika izany fitokisana izany : fotoanan'ny Fiaviana, fotoana fibebehana, iverenana amin'izay fitokisan'Andriamanitra izay.

Nasongadin'ny Evanjely manokana ny asan'ny mpiandry varavarana, satria io no mahita izay rehetra mivoaka sy miditra ao. Toa mitodika amin'i Piera izany, izy ilay voalohany amin'ireo Apôstôly namany, fa mitodika ihany koa amin'ireo manana andraikitra manokana ato amin'ny Fiangonana : aoka ho voalohany amin'ny fanatanterahana ny sitra-pon'ny Tompo.

Hahatoky hatramin'ny farany anie isika, ho vonona handray ny Tompo ka ho mendrika hiara-paly aminy, any an-tranony mandrakizay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...