Sabotsy 04 janoary 2020 - Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 25-42 - Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo; satria nidina ety ambonin’ny tany ny Hazavana lehibe.

0 : 00

Ry Kristianina Havana! Nibahan-toerana tokoa ny toko voalohany amin’ny Evanjelin’i Md Joany tamin’ity herinandro ity nampahafantatra antsika ny Mesia. Mbola fotoanany izao satria mbola ao anatin’ny fankalazana ny Noely isika. Tohin’ny omaly izay nanambaran’i Joany Batista an’i Jesoa hoe zanak’Ondry dia namafisiny izany tamin’ireto mpianany. Tsy mijanona ny fampahafantarany an’i Jesoa fa mitohy hatrany na dia efa vita batemy aza i Jesoa. Niova fijery avy eo ireto mpianatr’i Joany ireto ka lasa nanaraka ilay “Zanak’Ondry”. Aoka isika hibanjina mandrakariva io zanak’Ondry izay efa nentina tamintsika omaly teto io fa manala ny fahotan’izao tontolo izao.

Rehefa nampahafantarin’i Joany ny mpianany i Jesoa dia lasa ireo nanaraka azy. Alaivo sary an-tsaina raha ny zava-misy iainantsika ankehitriny no jerena hoe misy olona anankiroa manaraka anao sady lehilahy akory koa ireto izy. Akory ny fidoboky ny fo fa hoe iza ary ireto ary hanao inona, indrindra moa ka amin’ny toerana mangingina na maizimaizina: efa tsy rariny loatra ny tsy fandriam-pahalemana ankehitriny eto amintsika ka tsy mba ahafahana miaina an-kalalahana intsony. Ny zavatra niseho moa teto dia nitady azy aloha ireo voalohany indrindra, nanaraka azy nony nampahafantarina azy i Jesoa ary nitoetra andro vitsivitsy niaraka taminy rehefa nifankahalala.

Misy dingam-piainana nirosoan’izy ireo hahalala azy lalindalina kokoa ary hiaraka hitoetra aminy. Zavatra takiana amintsika tokoa isan’andro ireo teny telo mahalavorary ny fiombonantsika fiainana amin’i Jesoa Andriamanitra io: mitady – manaraka ary miara-mitoetra. Aoka isika hiezaka araka ireo dingana telo ireo dia afaka hamaly antsika toy ny nataony tamin’ireto roalahy ireto koa i Jesoa hoe: “Avia fa ho hitanareo”. Voavaly ny hetaheta sy ny fanirian’izy ireo. Maniry ny hahita, hahalala, handray ary hiara-monina amin’i Jesoa isika dia aoka hiezaka amin’ireo dingana voalaza teo ireo. Eto moa dia nomarihin’i Joany mpanoratra ny Evanjely tsara ny ora nisehoan’izany tantara izany (tamin’ny ora fahafolo) satria fahatsiarovana lehibe teo amin’ny fiainany io satria izy mpanoratra ity mihitsy io tantarainy io.

Niseho lany tokoa ary ny fahatanterahan’ilay hoe “ary izy naira-monina amintsika” satria dia lasa mpiara-dia i Jesoa sy Andre ary i Joany. Tsy nijanona teo ihany fa notaominy hanaraka azy koa ireto rahalahiny sy cousin ary dia maro amin’ireo mpianany ireo no mpihavana raha ny lafin’ny tantara no jerena. Antsoina isika amin’izao fankalazana ny Noely izao hizara ny hafaliana vokatry ny Noely fa koa hizara mandrakariva izany hafaliana izany ary hanambara an’io Jesoa teraka io amin’ny olona rehetra; tsy hitazona ho antsika samirery ny fahasoavana fa hizara izany amin’ny olona rehetra. Izany ilay efa nanentarana antsika hatramin’ny taona lasa tamin’ny fitsidihan’ny Ray Masina teto amintsika hoe aoka koa isika ho mpamafy fiadanana sy fanantenana.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...