Talata 24 nôvambra 2020 — Herinandro faha-34 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 5-11 — Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.

0 : 00

Anisan’ireo asa tananan’olombelona tsara sy mahasondriana ny Tempoly tao Jerosalema tamin’ny andron’i Jesoa, ary voalaza fa tsy mba nahita zavatra tsara teo amin’ny fiainany izay tsy nahita izany. Ambaran’i Jesoa anefa fa ho avy ny andro, ho rava tsy hisy vato mifanongoa eo amin’io toerana nanorenana io Tempoly io, na mafy sy tsara orina izany satria taona maro no nanorenana azy. Tsy natao haharitra ny asan’ny tanantsika olombelona, mandalo ihany ireny. Ny maharitra dia ny ny fiainana ao amin’Andriamanitra. Noho izany tsy tokony hanankina ny fontsika amin’ireny asan’ny tanantsika ireny isika.

Te hahafantatra sahady ny ho fotoana farany isehoan’ny faharavana ireto nanontany an’i Jesoa na koa hoe te hanana tombony amin’ny fahalalana izany. Andriamanitra irery ihany anefa no tokony hahalala izany ; koa raha misy milaza ho mahalala izany dia toy ireo mpaminany sandoka. Ilana fahamalinana sy fahamailoana izany. Tsy tokony haka ny toeran’Adriamanitra. Ny tokony ho toetra ananana eo am-piandrasana ny farany dia ilay voazan’i Jesoa manao hoe : “Miambena sy mivavaha ianareo fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora hiavian’ny Zanak’olona”. Noho izany, tsy midika ho fiavian’ny farandro akory ny fisian’ny loza isan-karazany, toy ny aretina na horohoron-tany, satria toa fahita isan’andro ireny. Fa ny fibebahana kosa ilaina iainana isan’andro isan’andro ho entina handavorariana ny fiainam-panahy sy entina mahatoky ny indrafon’Andriamanitra. Fantatr’Andriamanitra fa marefo ny fiainantsika ka nanomanany ny fiainana mandrakizay isika. Io fiainana feno hasambarana sy tsy misy tebiteby io, no hiomanantsika eto an-tany. Fiainana lavorary, tsy hain’ny vava ambara satria tsara lavitra noho ny zava-bitan’ny olombelona. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...