Alatsinainy 23 nôvambra 2020 — Herinandro faha-34 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 1-4 — Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

0 : 00

Ny fomba fijerintsika olombelona matetika, mandiso ny fihevintsika. Ireo mpanan-karena nandrotsaka betsaka tamin’ny rakitra nataony dia nandrotsaka ny ambim-bavany kanefa hoy isika hoe nahavita be ireo. Fa ity mpitondra tena mahantra ity koa mba nandrotsaka rakitra saingy vola kely no narotsany, dia hoy indray isika milaza fa tsy nahavita firy izy, ary indraindray aza tsinontsiniavintsika izay vitany. Toe-javatra mety hiseho eny amin’ny fiaraha-monina eny ny fanaovana tsinontsinona ireo mahantra, ireo madinika, hany ka tsy mba misy mijery ireny na miezaka manao izay ho afany aza izy ireny amin’ny adidy isan-karazany. Hafa anefa ny fijerin’i Jesoa, io mahantra mpitondra tena io no tena nahavita be, satria izay ananany manontolo dia ny fivelomany rehetra no natolony ho an’Andriamanitra. Koa tsy miankina amin’izay habetsahan’ny tolotra atao no mampanan-danja azy eo anatrehan’Andriamanitra fa miankina amin’ny toe-po sy toe-panahy entina manolotra. Koa ny fiainany manontolo no natolony ho an’Andriamanitra.

Ny rakitra ataontsika dia tandindon’ny fanolorantsika ny tenantsika ho an’Andriamanitra. Manana ny lanjany eto ny fahafoizana manontolo ho an’Andriamanitra. Koa ny tenantsika, ny fiainantsika manontolo no sitrany atolotsika Azy. Tsy ny ambinambiny amin’ny fiainana no atolotra Azy. Mety ho fakam-panahy mahazo antsika ny hoe tsy mandeha mivavaka any am-piangonana raha tsy hoe tsy misy atao. Ny alahady no andro natao hihaonana amin’Andriamanitra any am-piangonana, kanefa indro hanaovana zavatra hafa, hany ka tsy laharam-pahamehana ny mandeha mivavaka. Ny tenantsika no tian’Andriamanitra hihaona Aminy any am-piangonana. Isika mihitsy no tiany hanompo ny namantsika, hahafoy tena sy fotoana hanaovana asa soa. Ny hitsarana antsika amin’izay dia ilay fitiavana manontolo tsy misy anombinana natolotsika ho Azy sy ho an’ny namantsika. Eo anatrehan’Andriamanitra, mahantra isika rehetra. Koa ilaintsika ny fitiavan’Andriamanitra, ny famindram-pony. Manan-karem-pahasoavana Izy, ka afaka mizara izany ho antsika mila izany avy Aminy. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...