Alatsinainy 16 nôvambra 2020 — Herinandro faha-33 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 25-43 — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny Lalànao.

0 : 00

An-dalana miakatra mankany Jerosalema i Jesoa sy ny mpianany, ary manakaiky an'i Jerikao, izy tanana 20 km eo ho eo tsy hiditra an'i Jerosalema. Indro nisy jamba iray nangataka teo amoron-dalana, nangetaheta fahasitranana rehefa nahalala fa i Jesoa no mandalo. Nanana fahatokisana izy, nanana fanantenana fa afaka manala azy ao anatin'ny haizin'ny fahajambana ity Zanak'Andriamanitra. Tsy nisalasala ihany koa i Jesoa, nanontany azy hoe : "Inona no tianao hataoko aminao ?". Tafahaona ny tia sy ny manina. Tsy hoe fihaonana kisendrasendra, fa fihaonan'ny Mpitondra famonjena sy ny manam-pinoana : "Mahirata, ny finoanao no nahavonjy anao".

Fampianarana nasehon'i Kristy ankarihary tamin'izy roa ambin'ny folo ity nanasitranany ity jamba ity, manoloana ny tsy fahazoan'izy ireo izay nambarani Kristy mahakasika ny hijaliany sy ny hahafatesany ary ny hitsanganany ho velona amin'ny andro fahatelo (Lk 18, 31-34). Jamba ny masom-pinoan'izy ireo. Isika ihany koa, mety hanana izany endrika fahajambana izany eny am-pamakivakiana ny fiainana eny, mitovy amin'izy roa ambin'ny folo lahy, tsy mahita sy tsy mahazo izay ambaran'i Kristy amintsika ka toa mitsambiki-mikipy. Manaova àry, ezaka toa ity jamba iray ambaran'i Lioka ity ka hanao dingana, hangataka amin'i Kristy mba omeny maso vaovao mahiratra, hahita sy hahazo izay ataony sy ambarany ka hampihatra izany amin'ny maha kristianina antsika, indrindra ny masom-pinoana hanarahana sy hiderana Azy.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...