Alarobia 11 nôvambra 2020 — Herinandro faha-32 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 11-19 — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

0 : 00

Ry kristianina havana ! Ny zava-misy volazan’i Lioka tamin’ny Evanjely teo dia hoe an-dalana ho any Jerosalema i Jesoa. Diany farany ho any Jerosalema io mba hahatanteraka ny teniny hoe : “Tsy mety raha mpaminany ka dia vonoina ivelan’i Jerosalema (Lk 13, 33). Araka ny zava-misy teo amin’ny Jody sy ny Samaritana moa dia tsy afaka nandalo ny tananan’i Samaria Izy fa nanara-tsisina raha ho any Jerosalema. An-dalana ho any Jerosalema i Jesoa, manatona ny fampijaliana sy ny famonoana azy : midika izany fa ny lalan’ny hazofijaliany dia efa ela no nanomboka.

Ireo boka niantso indrafo taminy izay nitoetra ivelan’ny tanàna, satria tsy mahazo miara-monina amin’ny olona noho izy ireo maloto araka ny lalàn’i Moizy ao amin’ny Levitika 13, 45, dia mampaka-peo miantso vonjy noho izy ireo voailika ivelan’ny tanana fa maloto nefa dia olona mitovy amin’ny olona rehetra izy ireo. Mahatsapa ho mahantra izy ireo noho izany. Antso fanaontsika matetika indrindra amin’ny lamesa io hoe Tompo ô, mamindrà fo aminay io : aoka isika tsy hisalasala na ho menatra fa hiantso mandrakariva ny indrafon’Andriamanitra tahaka ny nataon’ireto boka ireto satria be indrafo Izy ary Rain’ny famindram-po. Famantaran’ny fahotana manko ny habokana ao amin’ny Baiboly, famantaran’ny ratsy izay manova sy mamono ny zo maha olona ny olona iray. Io tenin’i Jesoa amin’izy ireo io moa dia efa voafaritra ao amin’ny lalàna ihany koa (Levitika 14, 2) : “Mandehana misehoa amin’ny mpisorona”. Ohatra tsara asehon’i Jesoa ho an’ny fanomezan-kaja sy hasina ny manam-pahefana sy ny mpisorona izany.

Voalazan’ny Evanjely teo ihany koa moa fa folo no sitrana fa iray no niverina nankalaza an’Andriamanitra sy nisaotra an’i Jesoa nanasitrana azy. Samaritana io olona io. Izay ilay finoana : tsy manavaka foko na saranga na fiaviana fa iray lova ao amin’Andriamanitra isika rehetra rehefa mivelona ny finoantsika. Anisan’ny adidy lehibe ataontsika mpino kristianina ny mankalaza sy misaotra an’Andriamanitra isan’andro alohan’ny hatory amin’ny nitarihany ny androntsika tontolo ; na isan-kerinandro amin’ny fankamasinana ny Alahady satria anisan’ny fanehoana izany no tokony hivavahantsika sy hankamasinana ny Alahady ; ary I Jesoa aza indraindray dia mandidy mihitsy ny hanaovana fanatitra rehefa misy fahasoavana azo, koa aoka isika hahay hankasitraka an’Andriamanitra madrakariva amin’ny fahasoavana rehetra omeny na ataony amintsika.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...