Sabotsy 07 nôvambra 2020 — Herinandro faha-31 mandavantaona — Evanjely Masina nosortan'i Masindahy Lioka 16, 9-15 — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

0 : 00

Mampandinika antsika eto i Jesoa Kristy hoe : "Iza no tompon’ny fiainantsika ; Andriamanitra sa ny vola aman-karena". Miankina amin’ny tsirairay sy ny zava-misy tokoa mantsy ny mahatsara na maharatsy ny vola aman-karena. I Kristy eto dia nahita an’ireo farisianina sasany tamin’izany fa tena manao ny vola ho Andriamanitra mihitsy, hany ka manadino mihitsy ny fanompoana an’Andriamanitra satria jamban’ny vola eo amin’ny fiainana. Mety ho aretina hahazo antsika koa izany ankehitriny : atao izay hitadiavam-bola betsaka mba hampitomboana ireo harena, hany ka tsy misy intsony ny fotoana ho an’ny fianakaviana sy ho an’Andriamanitra. Ala-olana matetika hoe : sarotra ny fiainana ka lany amin’ny fitadiavana ny harena ety an-tany ny fotoana. Ekena ary tsy azo lavina fa ilaina ny vola eo amin’ny fiainana fa tsy tokony ho entina kosa anefa hanadinoana an’Izy Andriamanitra izay nanome antsika ny fiainana.

I Jesoa Kristy, Zanak’Andriamanitra dia tsy mba nanana na inona na inona teto amin’ity fiainana ity ary na dia Tompo aza dia nanetri-tena ho mpanompo. Nisafidy ny ho mahantra Izy mba hampianatra antsika toy izany eo am-panompoana an’Andriamanitra. Hoy i Masindahy Paoly izay mantsy hoe : "Satria fantatrareo ihany ny fahasoavan’i Jesoa Kristy tompontsika ; fa na dia mpanakarena aza Izy dia tonga nahantra noho ny aminareo mba hampanan-karena anareo amin’ny fahantrany" 2 Kor 8, 9. Angataho mandrakariva àry, Izy Andriamanitra mba hanome antsika fahatokisana eo am-panompoana Azy amin’ireo zava-tsoa izay omeny antsika isan’andro.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...