Alakamisy 05 nôvambra 2020 — Herinandro faha-31 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-10 — Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Manome fanoharana anankiroa i Jesoa eto amin’ity Evanjely ity mahakasika ny fijerin’Andriamanitra ny mpanota izay miverina amin’ny lala-mahitsy. Hita eto tokoa mantsy ny hafalian’Izy Andriamanitra rehefa mibebaka ny olona iray.
Isika rehetra dia mpanota avokoa ary ao anatin’izay fahalemena izay no tokony hangatahana ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanetren-tena ao amintsika mba hiverenana Aminy. Amin’ny maha mpanota antsika izay ary dia tsy afaka mihitsy ny hitsara na hanameloka ny hafa isika. Tsy tokony hihevi-tena ho marina tahaka ireto Farisianina sy mpanora-dalana izay sahy miteny ny hafa mihitsy hoe "mpanota". Ny mifanohitra amin’izany ary ny tokony atao rehefa mahita ny hafa latsaka ao anaty fahotana. Izany hoe maneho fitiavana azy amin’ny alalan’ny vavaka sy manampy azy hizotra any amin’ny lalam-pibebahana. Rehefa mahatsapa-tena fa mpanota isika dia tonga i Jesoa Kristy manasitrana ny fanahintsika ka mamerina antsika indray, izay ondry very, ao anaty vala sy dragma very hiaraka ny namany. Ny tsy fahatsiarovan-tena fa mpanota mantsy dia midika ho avonavona izay mihevi-tena fa tsy mila ny famindram-pon’ Andriamanitra.
Tokony hihevi-tena fa mpanota isika rehefa manao ilay vavaka nampianaran’ny Tompo : "… Avelao ny fahotanay". Ny Sakramentan’ny Fampihavanana àry no mamerina antsika indray ao anaty vala iray miaraka amin’ilay Mpiandry Ondry tsara dia i Jesoa Kristy. Lesona iray omen’i Jesoa antsika ny fitiavana ny mpanota. Izany hoe isika olombelona izay samy mpanota avokoa dia tokony hifanampy hiala amin’ny fahotana sy tokony hifankatia tahaka ny nitiavan’i Kristy antsika. Tadidio mandrakariva àry fa hafaliana ho an’Izy Andriamanitra ny fitodihantsika Aminy.