Alakamisy 29 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-30 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 31-35 — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra, mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.

0 : 00

Mitaky adidy aman’andraikitra ny fiainana kristianina. An’isan’izany adidy aman’andraikitra izany ny volazain’ireo vakiteny roa voalohany natolotry ny Fiangonana ho sakafom-panahintsika anio : mila miady amin’ny herin’ny Ratsy ; mila mitory ny Fanjakan’Andriamanitra.

Mila miady amin’ny herin’ilay Ratsy isika. Manantena fandresena isika matoa miady amin’ilay Ratsy. Lazain’i Masindahy Paoly Apôstôly fa raha miaraka amin’Andriamanitra isika dia handresy mandrakariva satria omeny antsika ny Teniny ho sakafo sy ho fahazavana ; ampitomboiny ny finoantsika ary mihaino mandrakariva ny vavaka ataontsika Izy.

Mila mitory ny Fanjakan’Andriamanitra isika. Asehon’i Jesoa antsika ao amin’ny Evanjely anio ny fomba hitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra. Mila afaka amin’ireo fatopatorana isan-karazany, izay mangeja, fa izany no ahafahana manatanteraka hatramin’ny farafofon’aina ny iraka nankinin’Andriamanitra tamin’ny vita batemy. Nambarany tamin’ireo Farisianina vitsivitsy fa Andriamanitra irery no mibaiko ny fotoana sy ny ora.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...