Zoma 16 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-28 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 1-7 — Mamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianao, satria mitana ny tenin’ny fiainana.

0 : 00

Ny hafa no mety ho voafitaka amin'ny fomba firesaka, ny tena no mety ho voafitaka amin'ny atao, fa Andriamanitra tsy ho voafitaka velively mandrakizay. Satria mana-maso Andriamanitra ka mahita, ary manan-tsofina Izy ka mandre, izany hoe, hitan'Andriamanitra amin'ny antsipiriany ny fianantsika zanak'olombelona tsirairay avy, hatramin'ny bitika indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra tsy misy miafina eo anatrehany. Hoy i Jesoa hoe : "Tandremo, sao azon'ny lalivain'ny Farisianina ianareo". Izay lalivay izay dia tsy inona fa ny fihatsaram-belatsihy. Tsy misy te ho ratsy eo imason'ny hafa izany, dia tapenana sy afenina foana ny kilema maha olombelona.

Ry kristianina havana, ny sitrapon'Andriamanitra katsahana sy tanterahana isan'andro. Tsarovy fa isika dia zava-boaary, ari-tanan'Andriamanitra. Bitika sy marefo ary tsinontsiona, tsy mahavita tena toy ny fody, ka mila miantehitra mandrakariva amin'Andriamanitra sy ny fahasoavany. Araka izay efa traik'efam-piainana ananantsika tsirairay, dia azo lazaina fa tsy misy mahavita miankina amin'ny tenany samirery ny olona, fa tsy maintsy miankina amin'Izy Andriamanitra Ray. Izany no midika fa tsy lavoray isika ary tsy mahavita tena. Jesoa ô, Ianao ihany no efa nilaza fa : "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana", koa ampio aho, tantano am-pitivana Jesoa ô, fa raha ny heriko ihany dia ho kivy an-dalana aho. Hanatontosa ny irakao no mamiko, fa omaly sy anio ary mandrakizay, tsy miova Ianao, Jesoa ô. Amen.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...