Talata 29 septambra 2020 — Masina Misely, Gabriely ary Rafaely, Arakanjely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 47-51 — Misaora ny Tompo, ry Tafiny rehetra, izay mpanompo mankatò ny sitrany.

0 : 00

Ry kristianina havana, mankalaza ireo Arakanjely telo isika anio dia i Masina Misely, Masina Rafaely ary i Masina Gabriely. Ny asan'ny anjely voalohany dia ny midera an'Andriamanitra, any an-danitra. Tompom-peo ananantsika izy ireo, noho izany, mankalaza an'Andriamanitra. Ary izay voninahitr'Andriamanitra izay no tanjon'ny fiainana kristianina. Asan'ny anjely sy ny arakanjely koa ny manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra amintsika olombelona, toy ny hoe miaro antsika, mampita ny hafatr'Andriamanitra, ahafantarantsika sy hanatanterahantsika ny sitrapon'Andriamanitra. Tsy ho anjely na oviana na oviana isika. Ny tsy fananan'izy ireny tsiny dia toetra raikitra araka ny naharian'Andriamanitra azy ireny. Ny fahalavorariana kosa ho antsika, dia ny fandresena tamin'ny ady niaraka tamin'i Kristy. Niady nanohitra ireo anjely ratsy. Toetran'ny anjely araka ny Evanjely teo, ny fanekena an'Andriamanitra, ny fahatsorana, ny tsy misy fitaka. Ny fanekena an'Andriamanitra, izany hoe ny finoana tsy misy famahoany, miaina an'Andriamanitra ambadiky ny hita maso. Ny fahatsorana kosa, satria mahita ny miafina indrindra Andriamanitra. Aoka àry, hanandratra fiderana an'Andriamanitra isika, miaraka amin'ny anjely sy ny arakanjely. Ary antsoy amim-pitokiana isan'andro ny anjely mpiambina antsika. Amen

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...