Sabotsy 19 septambra 2020 — Herinandro faha-24 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 4-15 — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

0 : 00

Tenin'Andriamanitra efa fandrentsika matetika, ary mety efa hay tsianjery mihitsy ity Vaovao Mahafaly nalahatry ny Fiangonana hodinihintsika anio ity, izay manambara ny fanoharana momba ny voa nafafy sy ny toerana hamafazana azy. Nezahan'i Kristy nazavaina tamin'ny mpianany ny hevitry ny fanoharana nataony, tsy sanatria akory hoe manavakavaka Izy, fa fantany tsara ny toetran'ireto vahoaka betsaka nanatona Azy. Ho antsika izay mihaino sy mandinika ny tenin'Andriamanitra àry, tsy asiana resaka be intsony fa fantaro izay karazan-tany misy anao, ary enga anie ka ho tany tsara sady lonaka ka hamokatra azaka izay andrasan'i Kristy amintsika : "Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana".

[Miara-dàlana] Zoma 26 septambra 2025

• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...