Alakamisy 17 septambra 2020 — Herinandro faha-24 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 36-50 — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.

0 : 00

Intelo miantoana no marihin'i Masindahy Lioka ao amin'ny Evanjely nosoratany ny fanasan'ny Farisianina an'i Jesoa hiara-hisakafo aminy — ity toko 7, 36 ity sy ny 11, 37 ary ny 14, 1 — ka samy nekeny avokoa ary nanehoany ny maha Mpamidra fo sy Manam-pahefana Azy, ary indrindra ny maha Mpamonjy Mpanasitrana Azy, na dia andro sabata aza. Ity toko 7, 36-50 vao nohenointsika teo ity izao no maneho fa Mpamindra fo, Mpamela heloka Izy na dia mpanota be aza ity vehivavy nikasika Azy ity.

Marina fa izay no maha izy Azy an'i Kristy, kanefa eo koa ny fihetsika nasehon'ity vehivavy ity, indrindra ny finoana nananany. Ny fitiavana nasehony an'i Kristy no nahazoany famindram-po ary ny famindram-po nataon'i Kristy taminy no nanamafy ny finoany sy ny fahatokisany an'i Kristy : "L'amour provoque le pardon, et le pardon provoque l'amour : plus on est pardonné, plus on est porté à aimer", hoy ny mpandinika iray. Ny fitiavana tokoa manarona ny fahotana maro, anisan'ny fampianarana ampitain'i Kristy amin'ity Farisianina nanasa Azy ity izany eto, ary ampitainy amintsika mpihaino sy mpanara-dia Azy koa ; tsy ilaina ny mihatsara vela-tsihy fa ny fanehoanao ny maha ianao anao eo anatrehany no takiany, tahaka ny nataon'ity vehivavy ity. Isika tsirairay avy ihany koa, afaka manasa an'i Kristy ho ao an-tokantranontsika, indrindra ho ao anatintsika, ary afaka mamboraka ny fiainantsika aminy mba ahazoantsika famindram-po ombam-pitiavana avy aminy.

[Miara-dàalana] Zoma 27 septambra 2024

♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...