Alahady 13 septambra 2020 — Herinandro faha-24 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 21-35 — Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.

0 : 00

"Raha diso impiry amiko ny rahalahiko no tokony hamela azy aho ?" Fanontaniana tsara apetra isan'andro isan'andro eny anivon'ny fiainana eny, ity napetrak'i Masindahy Piera tamin'i Jesoa ity, mba hanatanterahana ilay didim-pitiavana navelany. Ny fifamelana, izay mifamatotra amin'ny famindram-po mantsy no fototr'izany fitiavana izany. Matetika anefa ny eritreritra tonga ao an-tsaina voalohany raha misy olona nahavita hadisoana tamintsika, dia ny hamaly faty, tahaka ny nataon'ity mpanompo izay volazan'ny Evanjely teo ity. Koa tahaka ny nampianaran'i Kristy an'i Piera no ampianaran'ny Fiangonana antsika mba handrindra ny fihavanana eo anivon'ny fiaraha-monina, amin'ny alalan'ny fahaizana mamindra fo sy ny fifamelana.

Ny tapany faharoa amin'ilay vavaka nampianaran'i Kristy ny Apôstôly, ary nampianariny antsika koa, dia manasongadina izay fifamelana izay : "Avelao ny fahotanay, tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay". Ny famindram-po no ankasitrahan'i Kristy, fa tsy ny valifaty ; ny fangorahana no maodely omeny, fa tsy ny hatezerana, koa izay mpanara-dia Azy, tahaka an'i Masindahy Piera àry, dia takiany mba hamela hatramin'ny impitopolo fito, izany hoe "famindram-po tsy misy fetray". Koa na dia sarotra aza ny manatanteraka izany, dia ezaka sy hatsaram-panahy tsara ananan'ny kristianina izany mba ho antoky ny fahasambarana sy ny fandriampahalemana dieny eto an-tany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...